mar.
31
août
2010
Amin’ny fahitalavitra matetika no tena ahitantsika ny « strip-tease », na ilay manala fitafiana tsikelikely sy moramora arahana dihy mampilela-molotra. Azo ampiharina tsara amin’ny fitiavan’ny mpivady izy ireny. Toy izao ny teknika mahatsara azy. Omanina ny « s t r iptease » fa tsy ataotao fahatany amin’izao. Raha te hampitolagaga ny vadinao ary ianao Ramatoa dia ataovy irony tena manaitaitra irony ny atin’akanjo hanaovanao amin’io andro io. Kiraro avo voditongotra no tsara hanaovana. Tsy voarara ihany koa ny manao ranomanitra, izay natao hanaitra isaky ny fihetsehana ataonao......
Tsy tapitra eo. Jerena hatramin’ny jiro arehitra ao amin’ilay efitra hanaovana azy. Mampiakatrakatra ny ambiansy kokoa ny jiro somary mitsilopilopy. Toraka izany koa ny feon-kira na ny karazana mozika alefa. Atao amin’ireny somary milamindamina, mifanaraka amin’ny dihy malefaka atao eo. Azo laroina kojakojampitafiana hafa ihany koa ny efa eny an-koditra rehefa manao “strip-tease”. Santionany amin’izany ny fehin-tenda malamalama, ny ban-tongotra makarakara, ny akanjo vita amin’ny hoditra mainty … Fanampiny fotsy ireny. Azo atao tsara ny manao karazana silipo maromaro, entina handrabirabiana ilay andefimandry, hampirangorango azy eo am-piandrasana eo. Efa fantatrao tsara avokoa, araka izany, ny fanomanana isan-karazany momba ny “strip-tease”, ka dia anjaranao sisa no manamasaka azy araka ny mahafinaritra anao eo. Ny fiarahana mifanome fahasambarana no tena zavadehibe eo amin’ny fifankatiavan’ny mpivady, hampateza ny tokantrano. Fikolokoloana azy avokoa ny toy izao