mar.
31
août
2010
Tsy teny vaovao akory, fa voambolana sy fomba fitenin’ny mpitondra avo ankehitriny io. Asa moa raha hainy tsara ny dikan-teny, na atao ho eny anelanelan’ny resaka tiana hatavy fotsiny. Tsy ny fitsingolohan- dresaka koa no inona fa foto-tevitra sy ady hevitra no tena mahatsikaiky ankehitriny. Fisehoanjavatra tsy manaraka ny tokony ho izy sy ny mahazatra no tondroina ho mahatsikaiky. Tsy misy azo atao fa dia hihomehezana fotsiny satria tsy mahatsapa tena, manaotao foana…ary mampalahelo no hiafaràny. Ny raharahantsika eto dia nanomboka tany amin’ny fivoahana amin’ny fenitra manara-dalàna araky lalam-panorenana, dia nisafotofoto hatrany ary tsy mety ho tafaverina amin’io sehatra tena mifanaraka amin’ny lalàna io mandrak’ity ny anio. Moa tsy mahatsikaiky ve ny filazàna mialoha fa misy olompirenena mitonona ho raiaman-drenin’ity Malagasy ity, manana sy namolavola lalampanorenana heveriny fa tsara noho ny an’ny hafa rehetra ? Moa tsy ny fitondrana tarihan’io olona io no nanangana ilay komity fakàn-kevitra momba ny lalampanorenana ? Angaha tsy fantany fa tokony ho naterina tany Tsimbazaza misy ny foiben’io komity io ny volavola rehetra ?......
Tsy efa nisy fotoana voafetra ve tamin’izany ? Iza no afaka hilaza fa tsy amboletra sy mahatsikaiky izany ? Moa ve tsy hafahafa amin’ny rehetra ny fahenoana fa voaheloka hiasa anterivozona mandra-pahafaty ny Filoham-pirenena voafidimbahoaka farany ? Aiza ho aiza amin’izany ny mety ho fitoniana sy fampiatoana ny fifanenjehana ? Iza no afaka hiaro ny hevitry ny fitsarana mpamoaka didy ka hankasitraka izany ho fitsarana marina tsy misy kilema, tsy voabaikon’ny mpanao politika? Iza amin’ny mpanao politika malagasy no tena sahy hirotsaka ho fidiana malalaka kanefa mety hitarika azy any anaty gidra mandritra ny fotoam-piasany? Sao anisan’ny antony tsy hirotsahan’ny mpitondra ankehitriny izany toe-javatra izany fa resabe ny sisa ambiny? Fahoriana sy alahelo no aterak’izany saingy mahatsikaiky, hono e! Iza no sahy hanambara fa rehefa atao tefy maika ny fifidianana dia ho tony ny ady hevitra ara-politika ao aorian’izay? Iza no afaka hanome antoka fa tsy hisy fifanjevoana intsony, raha ho tonga any amin’ny fanjakana vaovao isika rehetra, kanefa ilay nanolotra ny lalampanorenana dia tsy hampihatra akory izay noheveriny fa lova ho an’ny firenena? Hazavao amin’ny rehetra ny tena antony tsy maintsy hizorana amin’izao fitantanana izao. Reseo lahatra ny “mpitrifana” mba hitony raha manana ny fahamarinana tokoa ianareo rehetra mbola mino fa azo iainana izao. Ampio amin’ny lafiny rehetra ny tera-tany malagasy mba hisy fiaraha-mientana amin’ny fanadinoana ny ratrany. Aza averina aminy intsony ny fandrangitana amin’ny alalan’ny teny tsy voahevitra sy ny fampihorohoroana aterak’izany. Aza atao ho “dridran’Ingilo” sy fery tsy mety ho sitrana ny fitazonana am-ponja. Ony RAMBELO