mar.

31

août

2010

Fiarovana lapam-panjakana: Hay mampigadra mandram-pahafaty ?

N o m e l o h i n a Ravalomanana ! Mandrampahafatiny ny sazy navoakan’ny fitsarana ho azy ny sabotsy vao maraina teo. Tsy dia nahagaga izany, fa efa tsinjon’ny maro. Tsy naharototra ny teo anivon’ny mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana izany, satria ambaran’izy ireo, fa sazy politika no natao tamin’ny olona izay tohanany. Ny mahalasa ny saina, dia ny fahitana vahoaka maro be notarihana mpanao politika, izay haka lapa ankeriny. Olona lanim-bahoaka io filoha teo aloha io, ary resaka politika no nitarihana olona niakatra ny lapa. Nisy ireny fifampitifirana tamin’ny 7 febroary 2009 ireny, ary namoizana malagasy maro. Miaiky ny rehetra fa tsy ekena ny fisian’ny ra mandriaka tahaka ireny, saingy ny loza, dia ireo miaramila niaro ny lapa no meloka, fa ny atidoha niketrika ny fananihan-dapa kosa toa mitsotsotra faly mihaino ny didim-pitsarana........

Zava-doza izany manomboka izao ny miaro lapam-panjakana, satria mety hampigadra izay filoha na mpitondra fanjakana am-perinasa io, ary ahazoan’ireo tram-pahavoazana volabe.

Mahagaga mahavariana Ny tsy aritry ny saina, dia ny fahitana ny kianjan’Ambohijatovo arovana mafy. Ny olona nitarika vahoaka teo, dia nosamborina, ary nogadraina. Isan’io ingahy Raharinaivo Andrianatoandro. Tsara ny milaza fa nisy aina nafoy sy naratra teo amin’io kianja io. Isan’izany ilay ramatoa mpivarotra boky voatifitra teo amin’ny lohany. Natao haza lambo ireo mpitarika vahoaka teo tamin’izay, satria nitarika vahoaka tsy nahazoana alalana, ary nanimba fananam- bahoaka teny Analakely. Mahagaga mahavariana io, satria kianja natokana ho an’ny demokrasia aza, arovana mafy sy nampiasana hery tamin’izay nikasa hiditra teo, nefa ny lapam-panjakana trano fiasan’ny filoha lanimbahoaka indray no helohina mandram-pahafatiny ny olona miaro azy ? Na kibay, sy lakrimozena izany, izao no ampiasaina, dia zava-doza avokoa, ary ireo zatra mpandray baiko mbola mety hahita loza raha izao no mitohy. Ny filoha Rajoelina, dia nanilika mafy any amin’ny fitsarana iny didy iny raha nikabary tao amin’ny haino aman-jerimpanjakana ny tenany ny alahady lasa teo. Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    Sarah (mardi, 31 août 2010 17:53)

    Salama ô!
    Marina mintsy io voalaza io, za koa de gaga sy talanjona fa i Dada njay no lasa voaheloka
    Izy voaheloka tsy nahataitra satria ny an'ny fomba fotsiny ny hoe tsraina fa efa hita ny valina na de mbola tsy voatsara aza i Dada! Fitiavan-tena no e eo @tsika! ady seza sy voninahitra

  • #2

    bemazava (mercredi, 01 septembre 2010 01:19)

    inona tokoa moa no mampianahana ny 3 mouv. no tsy miakatra mananika lapa. Efa mazava anie izao fa meloka izay miaro ny lapa ê! Azo antoka izany izao fa tsy hanapoaka basy mihitsy LYLISON ary TSY HANOME BAIKO hitifitra mitsy VITAL raha toa ka manitsaka zone rouge eny Ambohitsorohitra ny vahoaka. Araka ny hita ireny dia ny KIANJAN-DRAMAROSON ALAIN (13 may) IHANY NO tsy azo diavina ê ! Koa inona indray no manakana antsika vahoaka tsy hiakatra eny

  • #3

    lotusray (mercredi, 01 septembre 2010 07:50)

    ny hafa indray ity no voaheloka nohon'ny adalan'ny sasany marina!fa tsy ilay nanesika ny olona ho eny @ zone rouge ve no tokony ho tsaraina satria nanosika ny olona ho faty eh ? ny kary no manao ny ataony ty ka ny saka no tapa-drambo;Mieritrereta ra Malagasy marina an

  • #4

    BELOHA (mercredi, 01 septembre 2010 08:17)

    Mahamenatra ny ataon'ny mpitsara malagasy
    Torak'izany koa ny mpitondra nanome ny baiko
    Indrindra moa niampy ilay valandresaka nataon'ny lehibe FAT ny alahady hariva teo iny

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra