mar.

31

août

2010

Fiaraha-monina: Mitombo isa hatrany ny 4mi

Tato anatin’ny volana maromaro izay dia mitombo isa hatrany ireo mpatory an-dalana sy mpanao trano selôfanina ary baoritra. Na ireo olona efa monina eny amin’ireny toerana izay hivangongoan’izy ireo aza dia niloa-bava fa nitombo be izay tsy izy ny isan’izy ireo tato ho ato : ohatra akaiky ny etsy La Réunion kely, misy ireo 4mi vaovao izay tonga manampy isa eny. Ny ao aminn’y fitondrana FAT anefa toa variana amin’ny haingitraingitra hafa toy ny stade, toerana filomanosana, sns. Rahoviana ary vao mba hisy mpijery izy ireny ?........

Saika ireo olona izay niasa tamina orinasa afa-kaba teo aloha avokoa no misedra olana amin’izao krizy izao. Tratry ny tsy azo hanoharana izy ireo, noho ny fialan’ny mpamatsy vola sy ny AGOA. Dia ho aiza tokoa moa izany izy ireny? iza no mba hianteherany amin’izao krizy misy eto amin’ny firenena izao? Ireo mpanao politika sy mpitondra fanjakana toa variana amin’ny ady seza, ka ny vahoaka madinika no ataon’izy ireo fitaovana sy kilalao. Hoy indrindra ny raimpianakaviana iray, monina etsy la Réunion kely taminay « Raha nisy ny olona tena nametraka io filohan’ny tetezamita io teo amin’ny fitondrana, dia anisan’izany izahay, nefa amin’izao dia toa vao mainka nampitombo ny fahorianay izany fahatongavany eo amin’ny fitondrana izany», maro loatra hoy ity raim-pianakaviana ity ny fampanantenana nataony fony izy mbola tsy tafapetraka teo, anisan’izany ny fanomezana asa ho anay sahirana, eny fa na dia mba hahafahana mividy sakafo fotsiny ihany aza. Tofoka ar y tena leo ny fampanantenana lava ataon’ny mpitondra nifandimby teto ireo vahoaka sahirana ireo. Raha ny nambaran’ny mponina teny amin’ny manodidina aloha dia rariny raha toa ka tsy hilamina ny firenena, satria hanao inona tokoa ary izy ireny, aiza no hisarangotra, dia iza no mba hihaino azy ireo ? Fanontaniana saro-baliana izany hoy ireo olona izay sendra anay. Raha ny zava misy teny tokoa aloha dia tsy vitsy ireo 4mi vaovao. Hita taratra izany amin’ny entana ampiasainy, toy ny vilany, fatana, lamba firakotra sns…. Aiza ho aiza ary ny fitondram- panjakana amin’izy ireny e ! toa kabary ambony vavahady no betsaka, hatramin’izay nandraisana ny fitondrana izay. Nandritra ny fandaharana manokana izay fanaon’ny filohan’ny tetezamita miaraka amin’ireo mpanao gazety izay efa mahazatra azy aza, dia tsy nisy fitenenana mihitsy ny mikasika azy ireo, raha ny tena marina aza dia tsy tafiditra mihitsy ao anaty programan’asan’ny fitondrana tetezamita ny mikasika azy ireo. Toa mirona mankany amin’ny haingitraingitra toy ny fanaovana « stade » manarapenitra aza ny fanjakana amin’izao. LR

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tgv (mercredi, 22 septembre 2010 17:49)

    ZAO NY VOKANY RAHA NANDRAVA FANANAN'OLONA

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra