mar.

31

août

2010

Famahana krizy: Mbola ilàna mpanao politika ve ?

Akoho tsy naneno toy izay, lanin’ny kary. Krizy tsy voavahan’ny mpanao politika toy izay, fitiavan-tena no ao ambadika. Io no tsapa nandritra ny dinika izay natao tao ho ao. H e n a t r a n o h i t a nataon’ireo mpanao politikantsika be voninahitra sy tia tanindrazana. Hogahoga toy ny eny an-tsena, ary fifanasana vangy. Ireny no lalana herin’ny sasany, fa lalana ahafahana mivoaka amin’izao krizy izao. Na ny vahiny izay solontena avy amin’ny vondrona SADC aza nanongo tena noho ny firefarefan’ny adihevitra. Famahana krizy faran’izay haingana no tanjona, nefa toa ady toerana no hiafarany......

Midika avy hatrany, fa eo am-pelan-tanan’ny mpanao politika malagasy ny ain’ny filaminana sy ny fitoniana eto. Rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombon-tsoany, dia mikorontana, ary rehefa tiany halamina, dia milamina. Hoy ny vahoaka leo korontana, nahoana tokoa moa raha foanana any daholo ireo antoko politika ireo, dia azo antoka fa hilamina ny tany e ? Ireo ihany no isan’ny manosika vahoaka hidina an-dalambe lava izao, ary mampiakatra olona hanongam-panjakana isaky ny mba miarina ny toekarena. Izao, dia mifanasa vangy imasom-bahoaka indray ry zareo, ka ny antoko politika manana ny tena firehankeviny hanarina ny tanindrazana no lasa safobe-mantsina maimbo miaraka amin’ireo zatra manakorontana ny firenena. Sa izany ilay atao hoe politika ady gasy ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra