lun.

30

août

2010

Zatra lainga

Mivadibadi-dela sy tsy hita fototra mihitsy ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena malagasy. Ahodinkodina sy terena hizotra amin’ny lalan-diso ny fironan-kevitra sy ny ady hevitra atao eto. Ao no mandrangaranga fifidianana madio sy mangarahara, ao no mampiseho fahavononana amin’ny famoriana ny mpanao politika rehetra fa nahazo ny tso-dranon’ny sehatra iraisam-pirenena, ao ihany koa ireo tsy manan-kalahatra fa manara-davahana fotsiny, ary ny tena atambo dia misy ihany koa ny mpamafy lainga sy zatra ny andro ririnina amin’ny fanelezana tsaho : Mpampihorohoro ara‑tsaina, manao ramahatahora. Tsy azo dinganina izay rehetra vita tany amin’ny dinika santatra notontosaina tany amin’ireo distrika 119, manerana ny nosy. Hoentina any amin’ny kaonferansy nasionaly ho karakarain’ny « firaisa-monina sivily » amin’ny fotoana mbola tsy fantatra izany. Dia mitoetra eto ihany ny krizy satria misy laingalainga sy fampiesonana eo anelanelan’izany rehetra izany. Raha vao misy vondrona politika manaiky fa hahemotry ny CNOSC ny daty tapaka nandritra ny dinan’Ivato, dia efa fampiesonana izany........

Hifanditra amin’ny daty indray fa tsy izay vontoatiny ny mpanao politika samy nanao iny sonia iny. Ny filohan’ny fahefana avo no tena voapaingotra amin’izany satria efa namoaka didy aman-dalàna manainga ny mpifidy hanatanteraka ny adidiny. Voaporofo eo fa zatra lainga ny mpitondra ka nanao dina amin’ny ampahany sy tsy matotra. Hiseho masoandro amin’izay fa hay fanohanana sy fanalavàna ny fotoana hitondran’ny mpitantana ny fahefana tetezamita no tena nilofosana fa tsy vaha-olana ho amin’ny fivahan’ny krizy. Hiharihary eo koa fa baikoin’ny fitiavam-boninahita sy ny tombontsoa mihoampampana ny mpanao politika eto amintsika. Samy hiaiky ny rehetra fa tsy fifanarahana asiana sonia akory no inona, fa ny fiovàna amin’ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana sy filazàna ny tena marina tsy misy holakolaka amin’ny vahoaka tsy mandady harona.Nofitahina hatramin’ny sehatra iraisampirenena fa efa mandray anjara amin’ny dinika ifanaovan’ny samy Malagasy ny mpanao politika rehetra mpifanandrina teto. Ary samy manaiky daholo fa tsy asiana ady hevitra intsony ny amin’ny fitarihana ny tetezamita, natao izay hitovizan’ny fitsinjarana ny toerana amin’ilay dina voasonia tany Maputo. Mihevitra fa ankizy fahanana vatomamy ny olon-drehetra ka ny mpanao politika malagasy ihany no tena Leader, Matsilo, Master, Mamafisoa, Tonga saina, demokraty, sosialista sy liampivoarana,be Grad, tia an’i Madagasikara,tena Gasy vonona sns tsy tambo isaina. Zatra mifamahana lainga eto isika rehetra ka tsy mahatsapa izay hiafarana sy tena tanjona iraisana,faly mifanimpy hoditra akondro, mamono ny hafa ara-kevitra, mitsambiki-mikimpy. Tsy ampy fahavononana fa mifanafin-dravina amin’ny hevitra diso. Koa hitohy hatrany ny resaka fifanomezan-tsiny tsy hita fiafarana. Hisedra fitaka sy lainga indray ny kaonferansa hakana ny hevitr’olona « mpanompo » sy tsy mijery afa-tsy hevitr’olon-tokana. Tsy sahy hisedra ady hevitra tena mazava fa « haleloia » mankarenin-tsofina hampitombo krizy fotsiny. Asa aloha fa misy koa anie ny tia miaina amin’ny kisendrasendra e !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra