lun.

30

août

2010

Ranjeva Raymond tany Toamasina: “Ario ny ratsy”

Ho fanajany ny tsy fiandaniany amin’ny herisetra sy hitondrany fanazavan-kevitra misy kokoa amin’ny besinimaro, dia nanao famelabelaran-kevitra tao amin’ny efitrano malalaky ny “Conseil de l’Université tao Toamasina ny profesora Ranjeva Raymond, ny 27 aogositra lasa teo. Adihevitra nanaja ny fahalalahana maneho hevitra eny amin’ny tontolon’ny oniversité no niompanan’ny resaka nandritra izany, ary niarahany tamin’ny talen’ny Oniversite, Atoa Horace Gatien, sy ny tompon’andraikitry ny vaomieran’ny diosezy Justice et Paix, Atoa Boto Placide rahateo. Afaka naneho an-kalalahana rahateo ireo olona nasaina, izay tsy voatery nitovy hevitra taminy, toy ny mpitarika fivavahana na fikambanana eny amin’ny fampianarana ambony, nisy aza tamin’izy ireo rahateo no efa tafiditra anatin’ny tontolon’ny varotra na politika.......

Tarehimarika 18

18 taona no tsy nitenenan’ity mpitsara iraisam-pirenena ity ny mikasika ny raharaham-pirenena, noho izay andraikitra noraisiny izay; rehefa tonga teto an-tanindrazana izy, dia ninia nangina nandritra ny 18 volana, fa nandinika sy nijery ny fizotry ny toe-draharaha, saingy, ankehitriny, dia nifidy ny haneho ny heviny izy, rehefa nahatsapa fa be dia be ny lesoka tokony harenina; ao anatin’ny rafitra tetezamita tiany hajoro. Nambarany fa mila 18 volana hitsaboana ny areti-nikiky ny firenena sy hanomanana fifidianana ara-dalàna sy tena tomombana. Araka izany, raha toa ka tonga eo amin’ny fitantanana izy, dia 18 volana no hanatanterahana ny “Vonjy Aina” hanarenana ny firenena.

“Fanariana ny ratsy”

Nambarany nandritra io vela-kevitra io, fa mino sy matoky ny herim-panahin’ny vahoaka malagasy ny profesora Raymond Ranjeva, hiadiana amin’ny hakiviana sy faharesena manjo ny malagasy ankehitriny, mba hahatongavany eo amin’ny fitantanana. Io herim-panahy malagasy io no hametrahana ny governemantna matanjaka sy tsy miandany na.amin’iza na amin’iza, na amin’ny inona na amin’inona. Raha nanambara ny mpanatrika iray fa “« tsy fiandaniana amin’ny ratsy fa fiandaniana amin’ny tombontsoan’ny be sy ny maro » no ilazana izay, ny profesora kosa dia efa nihevitra sy nanipika fa ny « fanariana ny ratsy ary fiandaniana amin’izay mitera-bokatsoa » no hahitam-pahombiazana. Nandritra ny adiny telo Somary sarotra ihany ny hamehy ny dinika izay naharitra adiny telo, saingy azo fehezina kosa ny hevitra nivoitra tao sy izay kasainy hitondrana vahaolana, dia ny: fanasitranana ny aretina hamotika ny firenena sy fifampihavanana; ny andraikitry ny mpanao politika; ny fahantrana ara-pitaovana sy ara-tsaina; ny handresena ny fitadiavan-tombontsoa manokana sy fandripahana ny harena voajanahary; herisetra atao amin’ny tontolo iainana; fahaverezan’ny kolontsaina tokony ananan’ny mpitondra fanjakana; fiandrianam-pirenena sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany; ny fidiran’ny mpianatra tsy ho ela amin’ny ankapobeny; fanamboarana na fanitsiana ny lalàmpanorenenana; demokrasia andraisan’ny besinimaro anjara, ny rafi-pandaminana mifototra amin’ny fokonolona; federalisma; ny hevitry ny teny hoe “raiamandreny” (eo amin’ny vahoaka sy eo amin’ny mpitondra); fahaleovantenan’ny Fitsarana; tsy maty manota; fanajana ny zon’ny tsirairay… Na dia fohy ihany aza ny fotoana nijanonany tao an-drenivohitry Rasaraka, dia mbola afaka nidinika naharitra tamin’ireo mpiara-miasa taminy teo aloha tao amin’ny Oniversite, toa an’Atoa isany Fanony Fulgence sy Mangalaza Eugène, ny profesora Ranjeva Raymond.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra