lun.
30
août
2010
Misalasala ny mpandinika ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Sanatria mbola ho Ambatobevohoka indray va re ity lahasa ngezalahy atao eny Vontovorona ity ? S a t r i a , r ehe f a ni a l a tamin’ny resaka ifanaovan’ny ankolafin-kery politika efatra ny dinidinika ambany tafontrano hivoahana amin’ity krizy, dia nivelatra amin’ny hery maro isan-karazany, samy manana ny heviny na dia nitambatra anatin’ilay ant soina hoe E s copol , andaniny, ny UDR ankilany, ar y t s y hadinoina i reo ankolafy telo antsoina hoe Madagasikara, ny fandinihana izay ho lalan-kizorana. …Mbola ho ela ny faran’ny ala ! Satria nomena ny CNOSC ny fanelanelanana, noho ny fandraisana ilay resaka ho eo amin’ny samy Malagasy « ihany », dia mafimafy ihany ny ady atrehany. Ny asa sahaniny, amin’ny maha mpanelanelana azy, dia ny mitady ny rohin-kevitra iraisan’ny feo maro samihafa, ka ho eken’ny tsirairay indray avy eo........
Fanekena sa fanohanana ? Nahazo taratasy avy amin’ny f ianak aviambe iraisam-pirenena ny CNOSC amin’ity fanelanelanana ataony ity. Taratasy izay milaza fa ho avy ny fanampiana amin’ny lafiny maro raha ohatra ka mizotra tanteraka amin’ny fandraisana ny ankolafin-kery rehetra, tsy misy ankanavaka, anatin’ny adihevitra sy ny fanapahankevitra. Taratasy izay tsy midika izany, raha izay no fandehany, fanekena ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana izao. Eo rahateo no ilàna ny fahendren’ny isantokony : raharaham-pirenena no tanjona sa ny an’ny tena. Omal y, ank atok y ny hamaranana ny « dinika santatra » eo anivon’ireto antoko politika sy mpanao politika elanelanin’ny CNOSC ity, dia « tsy hita be ihany izay tena fandehan’ny resaka » hoy ny mpikambana iray ao amin’ny ankolafy Zafy Albert. « Tsy mazava ny foto-dresaka ary tsy hita laniny ny fototry ny ady hevitra. Eo ihany koa ny tsy fahitana ny antompisian’ny tsirairay : miteny amin’ny anaran’ny tena manokana ve ny olona iray sa amin’ny anaran’ny antokony, sa ihany koa amin’ny maha mpikambana azy tanat y ankolafy teo aloha ? Tsy mi tombina ny f i jorony fa toa mandray ny maha metimety aminy rehefa misy ny fandraisam-pitenenana… Farany, tsy voazava ny tena tadiavina ety Vontovorona ety. » Inona moa izany ny fehiny fa tsy hoe « aza mbola misoka rey vahoaka Malagasy, raha mbola tsy tafavoaka ny ala isika ». Alan’inona moa izy ity, soa dia mba alana bois de rose kosa aza, ka ry zareo tompony ihany no afa-miteny sy mametraka ny heviny ao ?