sam.
28
août
2010
Nitondra anjara biriky ny governemanta amerikana
Iray amin’ireo firenena misedra olana amin’ny tsy fanjarian- tsakafo i Madagasikara. Ny 70%-n’ny tokantrano malagasy no miaina izany. Ny antsasa-manilan’ny zaza latsaky ny dimy taona no tsy mitombo ara-dalàna avokoa, vokatr’izay tsy fahampiantsakafo izay. Hatreto aloha dia ny any amin’ny faritra atsimo no tena mizaka ny tsy erany amin’ireo faritra rehetra eto Madagasikara, noho ny hain-tany. Manoloana izany indrindra dia nampitombo ny fanampiana fanaony mahazatra tato anatin’ny taona vitsy izay ny governemanta amerikana. Manolotra “sorgho” sy voamaina milanja 2170 t, mitentina 1,6 tap dôlara ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo izy amin’ity taona 2010 ity. Nahitana fiakarany, araka izany, ny teti-bola mahakasika ny fandaharanasa fanohanana ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika, avy amin’ny governemanta amerikana........
Raha 55 tap dôlara ny fanampiana tamin’ny taona lasa 2009 dia nitombo ho 83 tap dôlara izany tamin’ity taona i ty. Tsy mi jery ny firehana politika misy eto amin’ny firenentsika izy ireo fa ny fiahiana ny maha-olona amin’ny mponina no omeny lanja misimisy kokoa hatrany, ahazoany miaina ny krizy ateraky ny fifanolanana isankarazany, na ara-politika, na ara-toe-karena, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Kaominina miisa 53 no kendrena manokana hahazo izao fanampiana izao, ka ny 11 amin’ireo no niangarana, izay hita fa tena voa mafy. Olona manodidina ny 200 000 no hahazo tombotsoa. Miaramiasa akaiky amin’ireo mpiara- miombon’antoka hafa any an-toerana ny governemanta amerikana amin’izao fandaharanasa izao. Tsiahivina fa fanamafisana ny tetikasa “Salohi” rahateo ny toy izao, izay tetikasa entina hampihenana ny tsy fahampiana ara-tsakafo amina tokantrano miisa 98 500 monina any amin’ny faritra Atsinanana sy Atsimon’ny Nosy ao anatin’ny dimy taona. Harimbola M.