sam.
28
août
2010
Firenena tsy tafavoakanareo hatramin’izay, tsy fahaiza-mitondra no antony. Dia mahamenatra mihitsy ny mahita ireto mpanao politika avo vava miseho tele sy radio ary gazety isan’andro ireto. Tsy mahay manaja tena mihitsy ny sasany, fa ny toetra tsy fampiseho masoandro no indro fa aderadera imasom-bahoaka. Dia miseho manan-kevitra ery izy amin’ny lalan-kombàna hivoahana amin’izao fahantrana sy krizy eto amin’ny tanindrazana izao. Tsy maty am-bavany e. Raha ny volo fotsiny sy ny taonan’izy ireo, dia tokony efa mba hipetraka hisotro ronono sy izay hosotroiny any, fa tsy ny hafetsifetsena hitadiavana toerana mba ahafahana mitsetsitra izay azo tsetsafiny no atao........
Iza no tsy mahalala, fa ny tombontsoa manokanareo mpanao politika ireo anie no hikofokofohanareo miseho amin’ny haino aman-jery saika isan’andro vaky izao e. Raha tsy manao izany mantsy, dia mety tsy hahazo anjara-mofo mamy, rehefa tonga ilay fotoana sarobidy izay. Ianareo ireo ve tsy mahatsapa, fa manodina radio, na manapika tele ny olona raha vao mahita ny endrikareo ? Mihevera tena ry goaika antitra isany, fa sao voavingavingan’ny olona vao gaga. Ny any ivelany, dia mipetraka tsara amin’izay efa azony ny mpanao politika, rehefa niala teo amin’ny fitondrana. Ny mifanohitra amin’izany kosa no hita eto. Olona nitondra tamin’ny andrim-panjakana samihafa izy ireny, efa hatrany amin’ny taona 1960, nefa mbola ireo milaza azy ho be hevitra ihany. Ny tanora natosika hanongam- panjakana, ka nahazo fahefana, dia toroana vohona indray, fa tsy avela hanao araka ny fandaharan’asany. Misy ireo mpanao politika efa zokiny ary nanana anjara toerana lehibe teto amin’ny firenena no mahay manaja tena amin’izao, ary rehefa miteny, dia tsapan’ny vahoaka iray manontolo, fa manan-danja ny hevitra avoakany, ary olona mendrika tokoa. Mba aiza ho aiza amin’ireny ny mpanao politika fotsy volo sasany eto amintsika ? Imasomahita