sam.

28

août

2010

Rava ny tsena !

Tsy maintsy misy tody ny zavatra atao satria efa ifanaovana io e ! Iza no tsy nahatsiaro fa lasa nivoaka ny efitrano fivoriana Ilaikely iny rehefa nifandrohitana mandra-maraina ny resaka ho filoha mpitantana ny tetezamita? Nosokirina tany anaty fiara, narahana tany amin’ny hôtely nivantanany fa tsy nahazoandresaka afa-tsy ny hoe: “ndeha hody izahay”. Anjaran’ny hafa indray izao: Eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena io, hitampoko, hitam-pirenena fa “lasa ry zareo”. Tsy tany Afrika kosa fa teny Vontovorona, teto an-tanàna. Efa nampoizina izany, ary tsy gaga ny mpanara-baovao satria niniana noravàna ny tsena. Na ilay fihetsika tany Afrika, na ilay teny Vontovorona dia paik’ady politika tsy hita izay maharatsy azy. Fa ny an’ny sasany dia iniana haseho ilay hagaigena imasom-bahoaka. Iniana avilana ny resaka. Io mbola hitantsika mifikitra amin’ny “tsy azy” io ilay notolorana ny “vatomamy” tany Afrika, rehefa avy nanao dongin-jaza maroroka. Izy ihany anefa no nanary tena sy nanary ny vatomamy teny an-tanany ka nanongan-tena tsy........

Dia niarahanahita ny tohin’ny tantara. Nivoaka ny efitrano ihany koa ireto mpanara-dia ny “mpitazona ny hazomanga” rehefa lasa resaky ny moana sy marenina ny toe-draharaha teny Vontovorona teny. Omenao tsiny ve izy ireo raha mitaky ny fandraisana anjaran’ny rehetra ho amin’ny fitadiavana ny vaha-olana? An’iza ny tsiny raha mikaroka ny fifandimbiasan-toerana any am-ponja izy ireo? Ary hadisoana ve ny fitakiana fanafahana tsy misy fepetra ireo nogadraina noho ny fanehoan-keviny? Raha misy ny fitohizan- draharaha any amin’ny tsy tokony hizorany toy izao dia ireo rehetra mbola nijanona tao anaty efitrano indray ao aoriana kely no hitaky ny fampiharana izay notakian’ireto nivoaka. Dia anjaran’iza indray no hiteny amin’izay fa “contre la nature” ny fiarahana? Tsy misy hevitra mihitsy ve nitazonana ireo mpiady hevitra rehetra mba tsy hiresaka fitantanana tetezamita vaovao avy hatrany? Ny fakofako sy ny lotontsika naterak’ilay teo aloha sy ny tetezana mangozohozo ity mantsy mbola lalim-paka loatra? Mila raharaha isika! Ary tsy nahagaga loatra raha rava ny tsena. Ohatra ny any an-tsena tokoa anie e! Tsy misy maneho fihetsika maotina fa mampiseho vangy ny ankamaroany. Raha misy fanontaniana tokony ilàm-baliny dia avonavona sy valin-teny tsy hita fototra no atao. Tsy voafehy ny tora-po, tsy mazava ny tena tanjona, tsy hahita ny tena marina fa variana mampahatsiahy ady sy valifaty. Fa iza marina no tena manozona sy mahatonga fanafintohinana eto ? Iza marina no tondroina ho tsimatimanota? Iza no midongy? Iza no tena manolo-tanana? Iza no tena vonona hanatanteraka ny vokatry ny dinika natao? Iza no homena tsiny? Sa aleo mifampiandry tody fotsiny eto? Sao mba ireo nijanona tao anatin’“ny tsena” no nandroaka amin’ny fomba tsy mendrika ireto “mpiantsena” vao tonga sy nandrasana? Iza no tonga namana vao mavomavo? Dia hihevi-tena ho mahavita sy te- handeha irery indray? Mba menatra fa sanatria toa “mahia alika mpanaraka anie ianareo eny an-tsena rehetra eny e”! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra