sam.

28

août

2010

Lehilahy kely vola noho ny vadiny: Ahiana ho mpampirafy

mpirafy ny lehilahy mampidi- bola kely noho ny an’ny vadiny, araka ny vokatry ny fikarohana iray. Mpivady 18 ka hatramin’ny 28 taona, vitsivitsy no nanaovana ny fanadihadiana, izay naharitra teo amin’ny herintaona teo. Hita tamin’izany fa mora mampirafy kokoa ny lehilahy miankin- doha ara-bola amin’ny vadiny. Toy ny mampihena ny maha-lehilahy lohan’ny fianakaviana azy ny fiainany izay kely vola izay.......

Tsy voatery hitombina ihany koa anefa izay satria azo resahana ny ara-pinoana, ny ara-pahalalana … Ny lehilahy be vola ihany koa aza no tena mora roboka amin’ny fakam-panahy, manantena ny volabeny. Arak’ity fanadihadiana ity ihany dia tokony ho 75%-n’ny vola ampidirin’ny lahy ao an-tokantrano no ampidirin’ny vavy, vao azo antoka kokoa tsy hampirafy ny lehilahy. An-kilan’izay dia voalaza fa azo antoka tsy hampirafy ny vehivavy mampidi- bola kely noho ny vadiny. Tsy sakana eo amin’ny tokantrano velively na kely aza ny vola ampidirin’ny vehivavy noho ny an’ny lehilahy. Io koa moa rehefa hampirafy izay, na kely na be ny vola ampidirina dia roso hatrany ny dia. Ny vokany aoriana fotsiny no tokony hosainina mialoha ny hanaovana azy.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    ravao (vendredi, 15 octobre 2010 14:36)

    tsy voatery hitombona izany, fa rehefa mifankatia izy roroa dia milamina ny fiainana. Lehilahy kanosa ny manao izany

  • #2

    tsiky (mercredi, 20 octobre 2010 15:55)

    mampatahotra anah zany

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra