ven.
27
août
2010
Tsy manaraka ny tokony ho izy intsony. Very hevitra izay mbola manantena fa hanaraka ny vina sy ny lôjika tokony handehanany ny firenena. Maty momoka daholo ny tena marina sy ny tokony ho marina. Tsy misy rariny sy ny hitsiny izany intsony. Mihemo-dava ny raharaham- « pitsarana politika ». Tsy manaraka ny fepetra rehetra tokony arahina ny ady ifanaovan’ny voatory sy ny mpitory. Tsy rariny intsony ny fihetsika natao amin’ny fiarovana ireo voatàna sy ahiahiana ho nahavita heloka. Hafahafa ny fihetsiky ny mpifanandrina marobe mivezivezy eny amin’ny fitsarana eny. Tsy ilay fitsarana mahazatra no resaka eto, fa ny fitsarana ireo mpanao politika......
Misy ny nahazo fahafahana vonjimaika rehefa avy nahiboka am-ponja fotoana maharitraritra, ao no mbola giazana tsy afa-mihetsika any am-ponja, ao ny manao sesi-tany ny tenany, ao ny miandry ny didim-pitsarana, ao ny mbola tadiavina sy henjehina ary hanaovana fikarohana .Dia tonga ho azy ny zava-mahagaga rehetra. Ts y ny f i t s a r ana no olana, tsy ny mpitsara sy ny mpisolo vava no tsy mitady ny ara-drariny, tsy ny fahefam-panjakana no misy manararaotra mampiasa, tsy ny vahoaka malagasy no tsy ho liana amin’izany rehetra izany. Fa ny fomba fanaovana politika no misy manararaotra mampiasa amin’izay tiany hitiavana azy. Tsy lôjika intsony raha mifangaro sy raisina maimaika ny fanoloana ny mpiaro ny voampanga,tsy lôjika raha olona voatory fa mpampihoroho sy mpanamboat ra baomba k anef a mihemo-dava ny fotoampitsarana azy, tsy lôjika raha misy olona naneho hevitra an-dalam-be kanefa miharitra ny maimbo any am-ponja tsy misy fitsarana hatramin’izao, tsy lôjika raha didy afaka noho ny fisalasalana sy sazy mihantona no havoakan’ny fitsarana, tsy lôjika raha didy fampisamborana sy sazy anterivozona aman-taonany no havoaka kanefa ny olona hampiharana izany tsy hita izay hanaovana azy, tsy lôjika raha terena hamoaka ny loharanom-baovaony amin’ny teritery ara-pitsarana ny mpanao gazety. Tsy ny politika no ratsy Tsy ny politika no ratsy fa ny lôjikan’ny fisehoan-javatra no lavin’ny fisainantsika malagasy rehetra eto. Mitazona hevitra diso ny ankamaroantsika ka tsy mety ho leo dohika amin’ny zava-misy. Tsy ny mpitsara no adala sy tsy te-hanao ny asany fa ny hevitra ara-politika vilana no terena hampihariny amin’ny fomba fanaony. Ary dia io fa mitokona ny mpisolovava, io fa mamorona olana vaovao indray ny politikan’ny fitantanan-draharahampanjakana. Fa angaha moa tsy fiarovana ny osa sy ny manandrariny ny fitsarana ?