ven.
27
août
2010
« Samy manao izay maha-diavolana ny sainy e! Samy manao izay mahafalifaly ny fony ny ogna aby ô ! », hoy ny tononkirana mpanakanto malaza iray. Izany tokoa no hiainantsika ankehitriny. Zary lasa tanàna tsy misy mpifehy mantsy i Gasikara, ka samy manao izay tiany. Tsy voafetra intsony ireo mpivarotra amoron-dalana fa henika azy ny moron’arabe rehetra eto an-drenivohitra. Omen-tsiny ve izy ireo, raha toa ka mpiasana « zone franche » teo aloha fa niato tamin’ny asany noho ny krizy? Tsotra dia tsotra izany no vahaolana hanalana azy ireo eny dia ny famoronana asa vaovao indray, fa tsy resaka sandry na basy na grenady mandatsadranomaso akory. Samy manao izay saim-pantany ihany koa ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka sy fiara karetsaka. Sahin’izy ireo ny mandray na manala mpandeha eny amin’ny toerana voarara ho amin’izany. Tsy misy tahotra mpitandro ny filaminana intsony izany, satria efa raharaha nifanarahana ihany ny azy roa tonta, ka raha tratra anio mandoa vola rahampitso, na manome mialoha dia atao maso be tsy mahita e ! Tsy antoandro be Nanahary, tsy alina mangina fa mirongatra tsy misy toy izany ny asan-jiolahy sy asa-dahalo. Hahenoana sy hahitana vaky trano, halatra, sinto-mahery, fanafihana mitam-piadiana saika isan’alina vaky izao. Tsy afa-manoatra ireo mpitandro ny filaminana, satria mitovy ny fitaovam-piadiana ampiasaina, kanefa ireo jiolahy tsy mihambahamba mamono izay sahy manakana ny lalan’izy ireo. Fa ireo mpanao politika ihany koa ange mba samy manao izay tiany e! Samy miezaka maneho ny heviny etsy sy eroa. Mitatatata sy midradradradra fa ny anay ihany no tena marina fa ny an-dry zareo hafa dia lainga sy fitaka tsy hahatafavoaka antsika amin’izao krizy izao. Ny mpinamana anio aza lasa mifanipaka toa valala an‑karona indray rahampitso. Fanina tanteraka ny vahoaka tsy an-kanavaka. Santionany ihany ireo fa mbola maro ny any ambadika any. Mila vahaolana maika izany rehetra izany
-Samy manao izay saim-patany e!
-Heverin'ny eo amin'ny fitondrana ankehitriny fa ny fananganana "andrimasom-pokonolona" no hahafahana manenjika ny mpanao ratsy.
-Inona ny vokany? Fa andraikitr'iza no tokony hiaro ny fananan'ny tsirairay???Ny fokonolona sa ny mpitandro ny filaminana???Mba heritrereto kely ny tenako izay miasa tontolo andro (tsy mody
antoandro)ary rehefa tonga any an-trano dia hiambina ny fokontany indray, mbola mangony fotsiny ny fitaovana entina hiambenana (rantsan-kazo iray), ny mpanao ratsy amin'io miaraka amin'ny
"Kalachnikov".
-Jeneraly sy ny fianakaviany aza sahin-dry zalahy notafihana!!!
-Ity ilay tonga amin'ny fitenenana hoe: "Tany tsy misy fanjakana marina"
