ven.
27
août
2010
Tsiahivina sahady aty am-piandohana hatrany fa tsy natao ho fandrisihana ny mpamaky hanaotao foana akory ity pejy 5 ity, fa ho fitaizana mahakasika ny lafiny arapananahana sy fitiavana. Ireo olon-droa mifankatia hiroso amin’ny fiainan-tokantrano sy ny mpivady no tena nanokanana azy ity, hahaizan’izy ireo mikojakoja sy mikolokolo ny tsiambaratelony. Koa mahaiza mankafy. Anio dia ny momba ny « orgasme » na ny fahatongavan’ny hetsaka eo amin’ny vehivavy no horesahantsika, saingy tsy miankina amin’ny fihetsika sy ny fombafomba. Miainga any amin’ny ati-doha mihitsy ny tsiambaratelony.......
Nanaovana fandinihana manokana ny fiasan’ny atidohan’ny vehivavy miaina io fahafinaretana io. Hita tamin’izany fa azo baikoana tsara avy any amin’ny atidoha ny “orgasme”. Samy manana izay nofinofim-pahasambarana saintsaininy lalina avy any anatiny ny vehivavy tsirairay. Mandray anjara lehibe ao anatin’ny fibaikoana azy ny ati-doha. Misy teknika manokana mitondra ho amin’izany rahateo, araka ny fampianaran’ilay profesora nanao ny fikarohana. Mila esorina tanteraka kosa anefa ny rarin-tsaina sy ny olana ary avela hiala voly hiomana tsara ho amin’ny « orgasme » ny saina. Izany hoe mora lazaina ihany ny hetsaka miainga any amin’ny ati-doha, saingy sarotra tanterahana.