jeu.

26

août

2010

Ny handrina no tsy naniry volo hono…

Toerana an-jatony maro tokoa no tsy maintsy hifampizarana sy hasiana olona taorian’ny fifanarahana vita sonia natao teny Ivato farany teo. Koa raha te ho isan’ireo hahazo toerana dia t s y maintsy mikofokofoka e!

Samy manana ny fomba fiadiny amin’izany Ao ny mody tsy miteny, kanefa maniraka an-kolaka olona na andian’olona mba hanolotra ny anaran’izy ireo hisafidianana. Misy koa ireo miseho ho mahavita azy ka hamoahan’ny antoko politika filazana fa aleo ihany io no tanana eo amin’io toerana io. Ireo izay tsy ao anatin’izany paikady izany moa dia miseho lany mihitsy. Ao ny manoratra an-gazety ka sahy miteny mihitsy hoe : « ny tenako ihany koa mba nitolona niady tamin’ny jadona, dia mba te ho praiminisitra koa ! ». Misy moa ny manarama mpanao gazety mba hanaovana lahatsoratra manokana fa izy no tena tokony ho eo amin’io toerana io, sady mahafeno ny fepetra ho mpampihavana sy mpampivondrona.

Ny sasany dia mahavita mamadika palitao mihitsy, satria efa nahatsinjo nialoha fa tokony ho ny antoko nisy azy teo aloha no lojika ho filohan’io andrim-panjakana iray io. Dia misora‑tena ho mbola solontenan’ilay antokony teo aloha fa niova noho ny fitiavan-tanindrazana, ka mazava ho azy raha mahazo pejy voalohany hatrany amin’ireo gazety sy haino aman-jery maro. Misy indray ireo mody tsy hita fa rehefa tena tonga ny fotoana tokony sy mety dia miseho amin’izay ka mihazakazaka mba hilahatra eo akaikin’ireo efa tsaratsara toerana sy efa nikofokofoka hatry ny ela. Dia mba mitovitovy « valeur » izany e ! Ireo izay efa voky traikefa sy efa mba fenofeno CV aloha dia tsy taitra tsy maika ary tsy rototra fa efa mihevitena ho eo amin’ilay toerana tadiaviny mihitsy. Izany ka dadany !

Tsy ho lotoiko ny anarany… Fa ny tena pa i k ady fanao rehefa volon’andro toy izao koa ny mifanaratsy na manaratsy olona, mba hampisongadina ny tena e ! Tsy tahotra tsy henatra fa sahy mifamaly an-gazety na amin’ny haino aman-jery mihitsy ary mahavita manadio tena mihitsy aza ny sasany. « Tsy ny anaran’ny Dadatoa no entina holotoana amin’ny tsy fahampiana fahalalana ka ny anaran-dray indray no entina hangataham-bady, toy ny ratsy tarehy mangatabady… ary mampametrapanontaniana ny maha vitsy an’isa ny zanak’i Toamasina ao anatin’ny fitondrana tetezamita ? », hoy ny sasany raha namaly ny hafa. Inona no tanjon’ i z y rehetra ireo ? Seza sy voninahitra ary vola amin-karena e ! Izay no politika sy ny fanaovana politika eto amintsika. K o a t s y a l e o k o i h a ny mijanona ho olon-tsotra ary rariny tokoa ilay olona iray izay raha nanambara ampahibemaso fahiny fa tsy hanaiky hobaikoin’ i reo mpanao pol i t i k a i reo. Am-bava homana, am-po mieritra.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    miharare (vendredi, 27 août 2010 22:20)

    Toetsaina mampalahelo. Io no tena fototry ny tsy fandrosoana fa sady mamohehatra no feno kobak'ambava na iza mpanao politika na iza. Tsy misy tena hoe baikoin'ny fitiavantanindrazana zany fa mody be resaka sy mandaha-teny handrebirebena reo vahoaka ho fitahina any aorina rehefa mahazo seza. Tsy hitako nandritra ny ampolotaonany maro nifandimby zay tena nampandroso firenena fa mpanaraka ambokony sy tia tena avokoa ary mpivarotra tanindrazana. Raha tena te hampandroso firenena tokony tsy manao kiantranoantrano ka izay namana sy fianakaviana foana no ampiandraiketina posta, fa tokony ny fahaizan'ny olona sy ny traik'efa ananany no ampiasaina hanondroana olona amin'ny toerana iray. Tsy mahagaga raha tsy mandroso mihintsy lay firenena satria zao badra hodra rehetra zao no mitondrs sy misndraikitra ny fitantanandraharaha. Io tokony tsy misy resaka fiaviana zany fa resaka fahaizana. fa mody ampidirina lay resaka fiaviana mba hahafahan'ireo tsy dia misy fahaizana misisika amin'ny seza.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra