jeu.

26

août

2010

Nampiaka-peo ireo mpisolo vava

Nanambara ireo mpisolo vava ny olona voarohirohy amin’ny raharaha laharana 284/09/CR, Ralitera Andrianandraina sy ireo namany, ny 7 febroary 2009, taorian’ny nivoahan’izy ireo ny trano fitsarana, tetsy Anosy, tamin’ny alatsinainy lasa teo, fa natao ireny mba ho fanajana ny maha-masina ny zon’ny fiarovana sy ny fanajana pitsopitson’ny amin’ny lalàna velona, rehefa nandà ny fangatahana fanemorana ny raharaha ny fitsarana......

Efa nampiakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana an-tampony tamin’ny 21 jona ny mpisolo vava mba haato aloha ny raharaha ary tokony ho fantatra mazava hoe fitsarana inona no afaka hitsara ny raharaha. Mampalahelo azy ireo ny tsy fisian’ny “actes d’accusation”, tsy fahazoana ny antontan-taratasin’ady hatramin’ny fanombohan’ny famotorana. Tsy ho azo atao mihitsy ny hanaraka ny adi-hevitra amin’izany. Voahitsaka koa ny zon’ny voampanga mba hanana fitsarana tsy mitanila. Ho avy hiaro ireo voampanga izy ireo ary mandà ny fanomezana mpisolo vava tendrena na dia efa eo ary izy ireo. Marihana fa efa nanaiky ny tsy hanendry mpisolo vava hafa intsony ny Bâtonnier, raha ny filazan’izy ireo. Ho hita eo anio raha hisy ihany ny fitsarana na hihemotra. Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra