jeu.
26
août
2010
Nanomboka teny amin’ny Episcopat Antanimena, Le Hintsy Ambohimanambola, Ambasadin’i Senegaly, niondrana tany Afrika, notohizana teny Ambohidahy, Ampefiloha, Ivato, izao dia tonga eny Vontovorona. Vonto dinika fotsiny fa poak’aty ny vokatra. Ny olona mpikarakara sy ireo karakaraina no miovaova fa ny tena atao dia miresadresaka, mihinana tsakitsaky, mifanebaka, dia mifandray tanana sy mifanoroka, nisehoseho télé, mihevi-tena ho zavatra amin’ny fandaharan-dresaka, manoritsoritra daty sy endriky ny fitondrana tiana hajoro. Halevina ny repoblika fahatelo e ! vita teo ny Maputo e ! Hiroso amin’ny fifidianana e! Mampiesona, miesona, kanjo…May volon-tratra tampoka! Mikorontana tanteraka ny fomba hanatanterahana ny fihaonana etsy sy eroa, niverina daholo ny resaka taloha sy efa navalon’ny finoana rehetra. Nipoitra ireo nikarakara ny fihaonana taloha toa niniana tsy nojerena tamin’ireny teny ifampieràna sy ny dinika santatra ireny. Efa nanginangina ny ray amandreny, kanefa nahazo hery hafahafa satria mifangaro tamin’ilay “firaisamonina sivily”.........
Dia aza gaga raha nitsangana ny mpomba ny fitondrana ankehitriny ary nanangam-peo fa efa nisy nifanarahana sy nosoniavina koa nahoana no dinganina fotsiny? Io àry fa hiseho tsikelikely fa tsy “neutre” izany ny mpitantana ny Tetezamita Avo, na dia nilaza aza fa tsy hilatsaka ho fidiana sy tsy hitantana intsony ny ankolafy misy azy. Hiezaka mafy izy ireo fa mila tohanana ny maha-filoha ny olona tohanany, ary tsy azo hozongozonina eo amin’ny toerany. Tsy maintsy hisy fivakisana sy ady anatiny iny fanaovana sonia teny Ivato iny na dia nodradradraina aza fa an-jatony ny antoko sy fikambanana politika nitovy hevitra tamin’iny. Tsy resaka toerana ho zaraina, sy foto-kevitra, ary koa tetik’ady hialàna amin’ny kizo iainantsika no olana ankehitriny, fa nivadika zavatra hafa mihitsy: RESAKA OLONA io. Miseho lany amin’izay ny miara-maty amin’ny fitiavana olona sy manaraka an-jambany izay lazainy. Tsy ho hita popoka intsony izany tolona ho amin’ny fanovàna izany, tsy ho heno intsony izany fiverenana amin’ny ara-dalàna izany, tsy misy dikany intsony izay lalampanorenana sy lalam-pifidianana, tsy misy heviny akory ny tetika hisorohana ny fiverenana amin’ny fanonganam-panjakana. Samy dodona miaro ny rambony tsy ho tapaka, samy mifanasa vangy, olona hitarika tsy miangatra no ilaina hitondra antsika ho any amin’ny fitoniana sy ny firosoana any amin’ny fanjakana tan-dalàna. Tsy hisy anefa izany raha ny ato ho ato no dinihina, samy hanandran-tena ho mety amin’ny tombotsoan’ny Gasy rehetra ireo mpanao politika kanefa tsy misy azo itokisana sy mety hahavita ny hametraka ny fahatokisan’ireto Gasy efa reraka .May volon-tratra amin’ny tsy antony, pendina amin’ny fandanian’andro sy ny resabe. Ny mety hiafaràny? Mifandimbidimby hitondra tetezamita lavabe eto angamba ? Raha tsy izany dia aloe mifanongana sy miady ny ho tompon- daka eran-tany eo amin’ny “coup d’état” sy ny fidinana andalam- be isak’izay mahatsiaro. Ony RAMBELO
io anie noho efa nohalaziko e!manao vazaha mody mihady ny panao politika. izany dia na aiza na aiza eto @izao tontolo izao mampalahelo
