jeu.
26
août
2010
Fandaharam-pampianarana voalaza ho nitera-bokatsoa eo amin’ny fiainana ankapoben’ny tanora ny fanabeazana ara-pananahana, na ny “éducation sexuelle”. Mampahafantatra ny tanora ny lalana tokony halehany sy ny sedra miandry azy eo amin’ny fiainana izany. Mety ho voasoroka kokoa ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Hihemotra ihany koa ny fotoana hanandramany ny firaisana ara-nofo voalohany, rehefa mahafantatra ny zavatra marina ilainy izy. Ho an’ireo efa tafiditra indray dia mandrisika azy ireo hampiasa ny fomba fisorohana ny vohoka tsy iriana ny fanabeazana ara-pananahana omena azy. Ho an’ny mpandinika dia resaka “hormones” ao amin’ny vatana mihitsy no maha-liana ny tanora amin’ny fiainana ara-pananahana. Ny ara-nofo no ataony zavadehibe. Manaitra azy avokoa, araka izany, ny resaka henony amin’ny onjam-peo, ny sary hitany an-gazety sy any amin’ny fahitalavitra.....
Tsy tokony hanafenana ny marina, izay efa takatry ny sainy ary tokony ho fantany izy, ahazoany manitsy ny fitondran-tenany. Voaresaka ao anatin’izany ihany koa ny mahakasika ny fifanajana eo amin’ny samy olona, ny famaritana tanjona mampandroso sy maty paika eo amin’ny fiainana. Mila beazina manokana momba ny ara-pananahana ny tanora, indrindra amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny antsasa-manilan’ny tanora amin’ny tany mahantra mantsy dia saika miroso amin’ny fanambadiana diso aloha loatra avokoa. Nahitam-bokatsoa araka izany ny fanabeazana ara-pananahana, saingy anjaran’ny fitondram-panjakana ao amin’ilay firenena no mijery ny fampiharana izany ho amin’ny fandaharampampianarana, ankoatra ny andraikitra raisin’ny ray amandreny any an-tokantrano.