jeu.

26

août

2010

Barean’ny Madagasikara: Miomana ny ho resy sahady

5% monja no mba vintana handresentsika ny “super eagles” Nizerianina ny 5 na 6 septambra izao, mandritra ny lalao voalohany ho an’ny fifanintsanana isam-bondrona hiatrehana ny fiadiana izay ho tompondakan’ny Afrika taona 2012, ary 95% kosa no haharesy antsika, araka ny fanambaran’ny mpanazatra ny Barean’ny Madagasikara, J e an Paul R abi e r t any Mahajanga ny faran’ny herinandro lasa teo, taorian’ilay lalao ara-pi rahalahiana nataontsika nanoloana andry zareo Mahorais. Tsiahivina fa nirava ady sahala samy tsy nitoko isika tamin’izany.....

Ny tsy fahampiana lalao iraisampirenena sy ny toe-batantsika somary kely no anton’izany, hoy ihany Jean Paul Rabier. Na izany aza dia nanambara ny mpanazatra fa efa vonona izy sy ny ekipany hiatrika io lalao io. Notsindriany mazava koa fa tsy voatery handresy akory ny ekipa iray na dia manana mpanazatra teratany vahiny aza. Nanamafy hatrany koa Ingahy Rabier fa betsaka ny vintana izay tokony hampiroborobo ny ekipam-pirenena satria, hoy izy, mahay ny Malagasy ary manana teknika samihafa na dia . Noporofoin’ity mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy ity moa fa tanjony nyhitondran’ny Barea ny lokon’ny Madagasikara manerana izao tontolo izao. Ny fiandohan’ny volana septambra ho avy izao no hanainga eto an-tanindrazana ny delegasion’ny Barean’ny Madagasikara izay hahitana olona miisa 30 miaraka amin’ny “staff” sy mpitsabo. Efa vonona ny vola mitentina 160 tapitrisa ariary hoentina hiatrika io lalao manoloana ny Nizerianina io. Mialoha io dia mbola hiatrika lalao arapirahalahiana manoloana ny ekipan’ny Nosy Kaomoro ny Bare any alahady 29 septambra ho avy izao any amin’ny k i anj a R abemananj a r a Mahajanga. Hivoaka ny 29 na 30 septambra ho avy izao ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea. Zaka Fils

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra