mer.

25

août

2010

Hetsaka tsy mety tapitra

Samy hafa ny fiainan’ny vehivavy sy ny lehilahy ny hetsaka, na ny « orgasme ». Hetsaka avy hatrany ny lehilahy rehefa mitosaka ety ivelany ny ranon’ainy. Tsy mba tahaka izany kosa ny an’ny vehivavy, izay somary sarotra kokoa, noho ny taovam-pananahany milentika. Miteraka fahafinaretana ho an’ny vehivavy miaina azy anefa ny fahatongavan’ny hetsaka. Mety ho indray mandeha sy tsy maharitra izy io, nefa azo hitarina tsara hatezateza, tsy hanam-pahataperana mihitsy aza. Indro ny teknika fahatongavana amin’izany.......

Tonga amin’ny fahafinaretana faratampony … mitsahatra kely indray … miakatra manakatra ny fahasambarana indray … Afaka miaina izany tsara ny vehivavy rehetra, hahatsapany ny « orgasme multiple », na ny hetsaka tsy mety tapitra. Ny 10%-n’ny vehivavy ihany no mahay miaina azy ity. Tsy dia sarotra anefa ny lalana mitondra ho amin’izany. Mila fantarina tsara aloha ny vatana sy ny zavatra ankafiziny. Mila manana tanjaka ihany koa haharitra amin’ny fihetsehana rehetra eo. Mila mankafy ny fiainana arapananahana sy ny firaisana ara-nofo ihany koa, mazava ho azy ! Maro karazana rahateo ny fomba mitondra ho amin’ny hetsaka. Misy ny hetsaka azo avy amin’ny fikitihana ny “clitoris”, ao ny avy amin’ny fikitihana ny fivaviana, ao ny avy amin’ny filelahana, ny avy amin’ny fikitihana ny “point G”, ny avy amin’ny fanafosafoana ny nono … Maro ny safidy. Tsy misy manakana ireo karazana hetsaka atao an-kisesy ireo, araka izany. Zava-dehibe ho an’ny vehivavy iray ny fahafantarana ny faritra manaitaitra azy ao amin’ny vatany. Manampy azy hitarika ny vadiny izany, hanoroany lalana azy. Rehefa tonga ny hetsaka voalohany dia tokony hotohizana ary tonga amin’ilay hoe “ny kilalao mbola ho ela”. Ny an’ny ankamaroan’ny lehilahy mantsy, rehefa mahatonga indray mandeha dia efa ampy azy izay. Nefa iny no fanombohana amin’ity hetsaka tsy mety tapitra ity. Na izany aza, dia fantaro ihany koa fa mila miala sasatra iray minitra, raha kely indrindra, ny lehilahy, aorian’ny hetsaka indray mandeha. Sady ho famerenana ny ainy izany no fanomanany ny manaraka ihany koa. Etsy andaniny indray koa dia fantaro fa mbola zava-dehibe tsara lavitra noho ny isany ny kalitao.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra