mer.

25

août

2010

Herinandro vaovao

Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hisy zava-baovao hatrany amin’ity herinandro vaovao ity. Nisantatra izany sahady, omaly ny fitsarana ilay raharaha 7 febroary 2009 tetsy amin’ny tribonalin’Anosy. Efa hatramin’ny faran’ny herinandro lasa iny no efa re siosio sy fantatra fa hafampana ny eny Anosy. Dia ireny niaraha-nahita ireny ny toe-draharaha nisy teny. Isan’ireo hiandrasana fanapahan-kevitra avy any ambony koa, avy amin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita ny fanendrena ireo ho praiminisitra sy ho filohan’ny kongresin’ny tetezamita ary ho filohan’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita amin’ny alalan’ireo anarana am-polony natolotr’ireo fikambanana ara-politika isan-tsokajiny avy. Any amin’Ingahy Andry Rajoelina indray izany ny baolina ankehitriny. Iza no ho praiminisitra ? Ingahy Raharinaivo Andrianantoandro ihany ve no ho filohan’ny kongresy ary iza no hifaninanana amin’Ingahy Lahiniriko Jean ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny CST ? Ilam-baliny maika avokoa izany, satria araka ny efa nambaran’ireo mpanao politika niara-nanao sonia ilay fifanarahana teny Ivato dia roso ny dia na hanohana na tsia ny iraisam-pirenena.........

Etsy andaniny anefa dia mbola miziriziry hatrany ireo mpanohitra. Ho an’ireo mpanohitra mivantana ahitana ireo avy ao amin’ny ankolafy Madagasikara, hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana manohana ny ankolafy Ravalomanana sy ankolafy Ratsiraka Didier ary ankolafy Zafy Albert aloha dia tsy misy afa-tsy ny fantanterahana izay notinapaka sy nosoniavina tany Maputo sy Addis Abeba ihany no hany vahaolana hahatafavoaka antsika amin’izao krizy izao. Hitety an’ny Gasikara amin’izay izy ireo, ka nisantarana izany ny tao Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo. Ireo mpanohitra malefaka kosa dia samy mialangalana eny ananonanona eny ihany, ka mbetika mitsofoka, mbetika mivoaka. Maro ireo efa nivoaka tamin’ny fahanginany toy an’Ingahy Pierrot Rajaonarivelo, mpitarika ny antoko MDM sy Ingahy Monja Roindefo, praiminisitra teo aloha sady mpitarika ny antoko MONIMA. Ankoatra ireo dia hilana fanapahan-kevitra maika ihany koa ireo toe-draharaha mafampana isan-karazany eto amintsika, toy ny raharahan’ny oniversite sy ny eny Vontovorona ary ny raharaha Madamobil sy ny maro hafa.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra