mer.
25
août
2010
Tsy misy manaiky ho gisitra, fa samy te hahazo ny anjara sezany avokoa izy rehetra izay nanao sonia ilay fifanarahana teny Ivato. Noho izay antony izay indrindra no tsy mbola nivoahan’ireo anarana izay tokony handrafitra ny sezan’ny fitantanana ny tetezamita. Raha ny vaovao fantatra dia seza maherin’ny 400 eo ho eo no iadiana mafy hatramin’izao, ary ny sezan’ny Praiminisitra kosa dia mbola ny UDR-Fanovana ihany aloha no nanolotra anarana ka miisa telo izy ireo. Arak’izany ary dia resa-be fotsiny ny filazana fa fijerena ny tombotsoam-bahoaka sy hamoaka ny firenena amin’ny krizy no antom-pijoroan’ireo antoko mivondro ao amin’ny ESCOPOL ireo. Malilo ny sofina mandre ireo karazana anarana miovaova isan’andro mahakasika ny fizarana seza ao amin’ny fitantanana ny tetezamita. Hatreto aloha dia mbola maizina tanteraka ny mahakasika ireo olona izay hapetraka eo amin’ireo seza ireo, tsirin-tsofina ary no nandrenesana fa seza manodididna ny 400 eo ho eo no iadian’ireo antoko miisa 80 izay nanao sonia ilay fifanarahana vaovao teny Ivato......
Raha ny vaovao fantatra avy amin’ny mpikambana iray ao aminn’ny ESCOPOL dia ireto no mety ho fizarana seza izay efa fantampatatra hatramin’izao, ny an’ny Andrimpanjakana mpanao lalàna dia efa mahatratra 381, izany hoe miisa 256 ny ho mpikambana ao amin’ny Kongresy ary 125 ny ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita. Santionany fotsiny ireo ary tsy mbola fantatra indray izay ho fiovany atsy ho atsy . Raha ny mahakasika ilay fanapahankevitra izay noraisin’ireo mpanao pôlitika mba hamahana krizy kosa dia voalaza ao fa Ing Raharinaivo Andrianantoandro (TIM) ary Rtoa Brigitte Rabemanantsoa Rasamoelina (AMP) no atolotr’izy ireo ho filohan’ny Kongresy. Miisa 12 kosa ireo Anarana izay hisafidianana izay ho filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ka ireto avy izy ireo : Mara Niarisy (USDM) ; Seramila Beza Marcel (Tambatra) ; Ramanantsoa Benjamin Marcel (MTS) ; Henri Lecacheur (PFM) ; Zakahely Boniface ; Andry Rasolofo (Fihavanantsika) ; Rakotonirina Jean Claude (Leader Fanilo) ; Benon Guy (FPFM), Rasamoelina Lala Harinaivo (DHD Madagascar) ; Avimana (MISA). Raha ny toerana ho an’ny Praiminisitra vaovao kosa dia nanolotra anarana telo (3) ny tao amin’ny UDR-Fanovana ny Talata lasa teo ka mbola tafiditra tao ihany aloha ny anaran’ny Praiminisitra amin’izao fotoana ny Jly Camiile Vital, Alain Tehindrazanarivelo, izay Praiminisitra teo aloha nisahana ny fahasalamana, ary olom-baovao tanteraka kosa ny iray izay tsy iza fa I Jean Omer Beriziky izy ity indray dia efa mpampianatra tantara tao amin’ny oniversiten’I Toliara, ary efa filohan’ny filan-kevitry ny Ambasadaoron’ireo firenena mitambatra ao amin’ny ACP. Samy afaka mitsara amin’izay manombok’izao ny vahoaka, hoe inona no tena tanjon’ireo ao amin’ny ESCOPOL ireo raha toa ka izany no zava misy. Miharihary toy ny vay an-kandrina mantsy amin’izao ny tian’izy ireo hahatongavana, nefa dia lazaina isan’andro lava izao fa hitady vahaolana hivoahana amin’ny krizy no tanjon’izy ireo. Fitadiavana ny tombotsoa manokana no ataony eo, ary vao maika hanalava hatrany ity fitondrana tetezamita ity, dia ny vahoaka no mizaka izany fitiavan-tenan’ny mpanao politka izany.
Mahafinaritra sy mahavelombolo tokoa ny mahita ny ny toe-javatra toy izao ...
tohizo tohizo, aza manaiky gisitra mihitsy ...
Tena tsara de manao ho lohany daholo. de tsy misy gisitra mihintsy amin'izay
