mer.

25

août

2010

Ankolafy telo: Ireo vava mila ho saintsainina

Feno ny kapoaka ! Nipoitra avokoa ny vava tsy ambina rehetra, nataon’ny ankolafy telo. Tsy maintsy miongotra eo amin’ny toerany Rajoelina hoy Lalatiana Ravololomanana tany Ant s i rabe. Ho any Antanimora Rajoelina raha izao no mitohy, hoy ingahy Manandafy Rakotonirina ny sabotsy teo, ary tsy hamelàko io fitondrana tetezamita mampahory vahoaka io hoy ny amiraly Ratsiraka, araka ny tatitra nataon’ny solontenany, mbola ny faran’ny herinandro teo ihany. Henjana ireo fanehoankevitra ireo, ary saika ny avy amin’ny ankolafy telo no nanambara izany......

Nihanahazo hery ireto movansy t e l o i r e t o t a o r i a n’ n y n a n ama f i s a n’ ny SADC ny sazy ho an’ity fitondrana tetezamita ity. Ny mpitarika politika sasany no nivadika taminy, fa ny vahoaka kosa, dia mbola manome her y azy ireo, ary porofon’izany ny mbola ahitana vahoaka maro manatrika hatrany ny famoriam-bahoaka izay ataony, na eny amin’ny magro Behoririka ? na hatrany Antsirabe. Nangina kosa anefa ireo mpanao politika nanao sonia teny Ivato sy ny mpanohana ny FAT ny faran’ny herinandro teo.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    miharare (jeudi, 26 août 2010 18:51)

    Fa maninona raha mitady fomba zay hampilamina sy hampirindra ny pocessus fa tsy hanao fitokonana sy fanonganana lava zao. Aiza lay firenena no tsy hihitsoka amin'ny lalina sy andihizan'ny vahiny, satria ADALA TOMPO sy TSY MITSINJO LAVITRA reo miseho ho manampahaizana sy mpanao politika ao aminy. Dia inona indray no hiseho raha ny olana eo anoloana tsy voavaha dia asiana hafa indray; na hisolo "mpi-drible ball" ndray dia retour a la case zero? Aho tsy mpomba zay eo ankehitriny satria misy maro tsy mety ataon'ireo zay natao hoe hiandraikitra ny fitantanandraharaha,fa saingy kosa tsy hisy mihintsy firenena handroso ao anaty aller-retour politika,raha tsy hoe ny tanjon'ny sasany angaha "succes personnel" rehefa mahazo toerana ka afaka mameno paosy amin'ny fihinanana sy fanodinana volampanjakana. Izao zava mitranga izao dia tena mampiseho ny "egoisme" sy ny "egocentrisme' ananan'ireo ankamaroan'ny "soit disant patriotes" Malagasy. Manino zao raha atao izay hiverenan'ny fiainan'ny vahoaka amin'ny laoniny, atao izay hisian'ny fandriampahalemana fa tsy lany andro miady seza sy mifanasa vangy eo. Dia rehefa avy eo manantena fanampiana avy any ivelany, nefa fantatra tsara zao fa tsy misy firenena na organisme manome fanampiana bojo zany, fa matoa izy ireo manome dia misy tombony sy saran'ilay nomeny tsy maintsy atao takalopatsa vidimpihinanana. Ny mpanararao-paty sy ireo manana business na vahiny na tera-tany mandihy satria tany tsy tandalana fa fanjakan'ny baroa Dia ny vahoaka foana no mitondra faisana. Raha tena misy ny fitiavantanindrazana amin'ireo rehetra miseho ho mpanao politika sy tia tanindrazana reo, efa ela no tokony nisy vahaolana fa izy reo tompoko dia TIA TENA FA TSY TIA TANINDRAZANA. Mampalahelo.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra