mar.
24
août
2010
Las’zao raha tsy mibolisatra. Samy manana ny tanjany arapolitika daholo amin’izay izany ireo vondron-kery isan-karazany eto amin’ny firenena ? Tsy nijanona tamin’ireo fitsinjaràna nahazatra, nandritra ny herintaona mahery kely, fa hafa mihitsy. Tanjaka sy hery tsy lanjaina amin’ny fahavoriana olona, na refesina amin’ny tanjaka ara-poto-kevitra sy zava-bita ho amin’ny fampandrosoana, na koa hery ara-tafika sy fanohanan’izatsy na izaroa. Fa hery hafakely ! Hery noho ny taim-bava sy ny fivorivoriana toy ny fanaon’ilay biby tsy tononina anarana. Mipoitra daholo na kely na lehibe, na antitra na tanora, na mpanavao, na zatra asa, na ireo tonga tsy nantsoina, na ireo mpisolatsolana. Mandeha tsara ny asa any anelakelan-trano sy eny amin’ny lalantsara rehetra, mikoriana tsy manam-pahataperana ny vola, ny fampanantenana isan-karazany. Mitranga amin’izay ny anarana marobe. Manomboka any amin’ny anarana tokony ho Praiminisitra ka hatrany amin’ny ho sefom-pokontany(?). Amanjatony sy amin’arivony no anarana mifamoivoy amin’izany.........
Samy manofinofy eo daholo ny rehetra. Mety tsara amin-dRanona io k’ah, vitany soa aman-tsara io. Nalefa any amin’ny filohan’ny Tetezamita (sa Filohan’ny F.A.T moa? Tsy hainay anie e!) ny anaran’ireo olona ireo miaraka amin’ny mombamomba azy avy. Aoka ho tsaroantsika tsara fa hivadika lakoraika indray io fitadiavana olona io. Tsy tsaroanao ve fa zavatra toy izao no nitarika ny Profesora mpandidy tamin’ny fotoan’androny, nangataka fahefana tany amin’ny vahoaka mivantana mba hanendreny Praiminisitra? Inianao tsy ho tsaroana ve fa nandritra ny fotoana lavabe ny mpitondra mihazona ny fahefana ankehitriny dia tsy nahita olona ho tendrena ho Filohan’ny CST araka ny “dinan’ny Maputo”? Kanefa dia tamin’ireo mpomba azy tamin’izany izy no nasaina nanendry olona iray. Azo raisina ho antony tsy nahavitàna nahatanteraka izay nifanarahana sy nosoniavina anefa ny ady anatiny eo amin’ny samy “mpanohana“e! Dia vinanio amin’izany izay mety hitranga : Noho ny antony manao ahoana no ahafahana mamendry Praiminisitra ? Kanefa anarana maromaro no isafidianana? Noho ny fahaizany? Noho ny vahoaka ao an-damosiny? Noho ny lasa ara-politikany? Noho ny fahaizany mandambolambo? Tsy maintsy ho anontaniana an-dRainibary indray io! Aza omena tsiny ny mpanedry raha hanao TSATO-PISO. Efa fanaony io e! Angaha moa misy mijery izay ho fahamarinantoeran’ny governemanta sy ny andrim-panjakana izany eto? Izay be vava sy mandrangaranga fandrahonana marobe no ironan’ny fanendrena, na koa alefalefa fahatany any fotsiny fa tsy maitsy manao planina an-dalana. Tsy hay intsony moa izy ity na planina B na D, na E, na F. Andriamanitra tokoa dia efa namome, fa i Balita mihitsy no tsy hambinina satria manao ny kiraron’I Beminahy, sy ny toe-tsain’i Baroa. Mety ho diso izany k’ah! Ramasabomanga angamba no marimarina kokoa? Ony RAMBELO
Samy maniry ny fiverenan'i MADAGASIKARA eo @ sehatra iraisampirenena ary hiverenan'ny etat de droit;fa fijeriko manokana dia tsy misy finiavana hampandroso ny tanindrazana ,raha ny zava-misy no arahina ;ireo lazaina fa antoko politika na fikambanana-na vondron'olona@ fianakaviana,dia ireo ve no hitondra ny feo ny vahoaka atao drindrangilo eo ;atoko izay vao niforina na forenina nandritra ny crise ;tsy misy oloboafidy akory -na nisedra fifidianana,fandaniana andro daholo ny sisa ,raha tsy feno aza ka tsara antsarana ny lany sy nosiniavina tany maputo ----ka ny firehana 4 miampy izay atoko tena marina ka efa nisedra fifidianana na dia olona vitsy aza no nifidy,fa izao mpanaradrenirana izao no hizarana toerana sy karamaina vola be ,ataoko fa fanaovana tsinotsinona ny vahoaka Malagsy tsy vaky volo;izay mizaka ny tsi erany sy ny mafy ka mikisaka @ kibony ka vaty mijoro sisa-lany andro isika lany vola satria mbola efaina sy averina ireo vola ireo @ fifidianana ka misarika ny maro aho ;mba tsy voarebireby ny ireo clows izany ireo ka anasazy azy @ alalan'ny fifidianana ,izay mahamaika fa tsy tendrena sy zarainaseza:ny fat dia mitady namana ka izarana ny tsiny rehetra fa hoe samy tompona'andraikitra daholo isika ary niara nanao sonia.allez l'om
Fa ny tena zava-dehibe nahafaly ny malagasy iray manontolo dia ny fahaizan'i Andry Rajoelina mitondra ny firenena! Nitotorebika koa ny vahoaka satria izay vao tena resy tanteraka ilay fahavalom-pirenena antsoina hoe: MARC RAVALOMANANA!
