mar.
24
août
2010
Tsy sasatry ny miharina mihitsy ny ao an-drenivohitr ’i Toamasina ao. Raha efa manao ezaka goavana amin’ny fanatsarana ny tanàna ny tompon’andraikitra isanisany eo amin’ny fanamboarana ny lalana, ny fanitarana ny seranan-tsambo dia may ny alin’ny alahady 22 aogositra hifoha alatsinainy teo indray ny tsenan’i Bazary be.......
Fifanomezan-tanana Avy aty amin’ny faritra atsinanan’ny tsena no niatomboka ny afo, nihitatra nianandrefana. Ny fivarotan-kena sy ny fivarotana enta-madinika no tena nitondra faisana tamin’izany. An-tapitrisany ny fatiantoka. Tokony ho teo amin’ny 12 ora alina, hifoha maraina no nisy nahatsikaritra ny afo voalohany. Teo amin’ny ora iray sy sasany teo no nifehezana izany. Nifanome tanana tamin’ny famonjena ny afo avokoa ny sampan-draharaha mpamonjy voina ao anatin’ny kaominina Toamasina sy ny avy ao amin’ny seranampiaramanidina ary ny avy ao amin’ny tetikasa Ambatovy.
Mitohy ny fanadihadiana Tsy mbola fantatra mazava aloha izay niandohan’ny afo hatramin’izao ora anoratanay izao. Misy ny milaza fa “circuit” vokatry ny fikorontanan’ny “fil” ao an-tsena no niteraka ny fahamaizana. Misy ihany koa anefa resaka mandeha fa hoe nisy andiana lehilahy nandalo tao Bazary be tapa-bolana lasa izay, nilaza fa handoro ny tsena atsy ho atsy. Mitohy ny fanadihadiana ary efa mandray an-tanana ny raharaha ny tompon’andraikitra any an-toerana. Tsy nisy kosa anefa ny naratra sy ny aina nafoy. Mbola miaina anatin’ny krizy i Madagasikara efa ho herintaona sy tapany izao. Ahoana indray izany izao ny fanarenana izany tsenan’i Bazary be izany. Mbola tantara hafa indray koa ! Harimbola M.