mar.

24

août

2010

Mandry ve ny sain’ny FAT ?

Mialà rehefa tsy mahay ! Tsy nisy zava-bita nandritra izay fotoana lava be nitondran’ny mpitondra ankehitriny izay. Ny vola foana no lany, fa ny fahombiazana, dia ny olona vao miana-draharaha aza, mahay. Iza no afaka hitanisa fa nahavita nanova ny fiainambahoaka ho any amin’ny tsara ity fitondrana ity ? Izay nambolena tsy naniry, ary ny nasosoka, maty masony. Natao ny fikaonandoha isan-karazany nandritra izay 19 volana izay, fa ny atody lamokany aza manan-danja. Nikaroka loharanom-bola teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa ny sazy aza no vokatra azo. Nihebo ho hanampy antsika ny mpanefoefo Saodiniana, fa inona no teo ?........

Ny fiaramanidina Force One Two, tsy lafo, ary ilay vary amidy Ar 500 kilao, sy menaka Ar 2200 litatra lasa rivotra teny an-kianja fotsiny. Ny daty hanaovana ny fifidianana, lasa resaka mandany jiro. Ny fahombiazana hita nandritra izay 19 volana izay, dia ilay fanaovan-tsonia natao tany Maputo sy Addis Abeba, saingy ireny niarahana nahita ireny no niafaràny. Mandry ve ny sain’ireo mpitondra FAT ireo amin’izao toerana misy an’i Madagasikara izao ? Tsy mandry ny sainy matoa mikaroka lalan-kafa hivoahana amin’ny krizy, saingy ny hena-maso sy ny tahotra andRavalomanana sy Ratsiraka no betsaka.

Akombony ny vava Tsy izay mifanitsy ny saina, dia heverina ho marina. Manoloana ireo daty izay efa natao ho fanta-bahoaka hanaovana fifidianana sy fikaonan-doha, dia mila akombona ihany ny vava, vao miteny. Izay ilay ilàna fandinihana miaraka, vao manapakevitra. Lasa henatra ho an’ity fitondrana ity ny fandrenesana ireo daty efa nodradradradraina saingy tsy tanteraka avy eo, na vita ihany, fa tsy hita fiafaràna. Dia ahemotra toy izany indray ilay ambara ho fikaonandoham-pirenena, izay tokony hatao amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy izao. Tsy aleo ve mandresy lahatra ny hery samihafa, vao mametraka daty ? Tsy nahavitàna inona hatramin’izay ny diniky ny akamakama, ary io mbola mitarazoka hatramin’izao ny krizy. Be ireo milaza azy ho be saina, fa vitsy ny manam-panahy. Zary lasa tondroin’ny vahoaka molotra ny mpitondra ankehitriny, noho io fitavozavozàna eo amin’ny fampandehanana ny raharaham- pirenena io. Na ilay sonia natao teny Ivato aza anie, ka lalana iray hanimba ny firenena iny, satria aiza indray no hahita vola be hanambazana ireo mpanao politika handrafitra izay andrim-panjakana samihafa hijoro eo ? Sa hanota vola baoritra, ka izay hiafarany any, tsy olana ? Mandry ve ny sain’ny FAT amin’izany ? Azo atao ny mamaha ny krizy na dia rahampitso ihany aza, ary hitobaka ny fanampiana iraisam-pirenena, dia ny fiarahana mamaha olana amin’ny ankolafy telo, ary hankatoavina izay tapaka mandritra ny dinika, ary atao haingana ny fampihavanam-pirenena sy ny aministie, mba hisorohana ny mety hidiran’ny hafa any am-ponja indray. Izay no atao hoe fihavanana malagasy. Ny mifanohitra amin’izay, dia mbola krizy ihany. Tsy menatra ve ny FAT amin’izany ? Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    rakoto bazil (vendredi, 03 septembre 2010 07:45)

    aza d mirediredy ry zanaky dada fa ra favy de raiso ny fitondrana!efa lasa lavitr ny firenena ra ts fingafinganlesany otrnaio!ka aza mtarena fa efio e!miaraka eto tsik ko!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra