mar.
24
août
2010
« Tsy hisy hanaiky ny ametrahana izany tetezamita fanindroany (“Transition bis”) izany”. Io no teny nambaran’ingahy Andry Rajoelina tany Mahajanga, nandritra ilay resadresaka nifanaovany tamin’reo mpanao gazety mianadahy tany an-toerana, herinandro vitsivitsy lasa izay. Nohamafisin’ireo mpanao politika maromaro mpikambana ao amin’ny FAT, sy ireo mpanao politika mbola ety ivelany kanefa mitady irika hahazoan-toerana izany voalazan’ny filohaben’izy ireo izany, ary dia natao “fary mitety reny” eran’ny haino aman-jery ny tsy faneken’izy ireo ny hijoroan’ny tetezamita “vaovao”.........
Mody manaiky… Rehefa nikaon-doha anefa ireo mpanao politika niisa 55 tany am-piandohana, ka namolavola ilay “fifanarahana politika” tokony honosoniavin’izy ireo mba hivoahana amin’ny krizy, hono, ary atolotra ny filohan’ny FAT, dia may indray ny endim-boanjon’ity farany ka nampiantso ireo mpanao politika ireo niara-nidinika taminy teny Mavoloha. Nifanarahan’izy ireo nandritra izany fa hisy ny fihaonana misokatra kokoa amin’ireo antoko politika mitangorona manodidina akaikin’ingahy Andry Rajoelina, rehefa nanakiana mafy ny tsy fetezan’io “fifanarahana politika” io ireo mpikambana efa voky andro tao amin’ny FAT sady mivondrona ao amin’ny UDR-Fanovana. Dia natao ny fihaonana teny Ivato, ary vita sonia ilay “fifanarahana politika” ny 13 aogositra lasa teo. Voalaza fa nitombo, ary nanakaiky ny 100 ny isan’ireo antoko sy fikambanana politika nandray anjara sy nanao sonia.
…Dia mivadi-dela indray Iny fifanarahana politika iny, hono, izany no heverin’ireo nanao sonia azy fa mitaratra ny marimaritra iraisana (consensus), ary voasoratra amin’ny andinin’io fifanarahana io fa na ny praiministra lehiben’ny governemanta, na ireo ho mpikambana ao amin’ny filan-kevitra ambony ao amin’ny tetezamita (CST) na ireo ho mpikambana amin’ny Kongresy (CT) dia tsy maintsy anarana atolotr’ireo mpanao politika nivory sy nanao sonia ny fifanarahana. Dia ahoana izany r’ingahy filohan’ny FAT ? Moa tsy mifanohitra amin’izay nambaranao tany Mahajanga hoe “tsy hisy “transition bis” izany, raha toa ka manendry praiministra vaovao avy amin’izay atolotr’ireo mpanao politika nivory ireo ianao ? Toa nivadika tamin’ny teny nomena indray ianao izany an ?! Sa mbola ilay tetezamita entinao samirery ihany io, satria ianao koa nanao sonia ilay fifanarahana, nefa ireo ankolafy telo aza tsy nanatrika sady tsy nanao sonia iny fifanarahana iny koa ? Dia fanontaniana mipetraka any amin’ireo mpanao politika mbola variana mihaza seza sy mitady gisa mainty hatao praiministra ary ity : Sao dia ho vaky tratra toa ilay ganagana nitety asa ianareo ka ny “hanina” tsy azo ny tratra mangana. Mandania ron-doha sy rara-kivy etsy sy eroa fa efa hainy tanteraka ny “mampandihy zaza bàlana”. Efa làlana hitany io zatra tsy manaja ny teny nataony sy ny taratasy nataony sonia, raha ny zava-nisy hatr’izay herintaona izay no tombanana. Tangena