mar.

24

août

2010

Lehilahy tsy mahavelona: Sao avy amin’ny sigara ?

Mi tera-boka- t soa eo amin’ny fiainana ara-pananahana ny fijanonana amin’ny sigara, araka ny fandinihana nataon’ny oniversite iray any Hong Kong. Voalazan’ity fikarohana ity fa ny 58%-n’ny tranga-na olana ara-pananahana dia avy amin’ny fifohana sigara avokoa. Tsy vitsy ao anatin’ireo olana ireo ny mahakasika ny lehilahy tsy mahavelona sy ny maty andavaka rehefa manao firaisana ara-nofo.....

Enim-bolana monja taorian’ny nitsaharany tsy nifoka sigara intsony dia voalaza fa nahitana fihatsarany ny fiainana ara-pananahan’ireo olona voaresaka ireo. Hita tamin’izany fa mahatratra 91,5% kokoa ny vintana hahafahan’izy ireo manana fiainana ara-pananahana milamina, tsy misedra olana. « Mila tonga saina amin’ny zavatra manjo azy ny lehilahy mpifoka sigara, raha toa ka mandia olana tahaka izany any amin’ny fiainany ara-pananahana any », hoy ny filazan’i Lam Tai-hing, iray amin’ireo manam-pahaizana nanao ny fikarohana

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra