lun.
23
août
2010
Ela vao tonga saina !nahoana raha vao niantombokaireny krizy teto amin’nyfirenena ireny dia efa nitodidohatany amin’ny fitondranatetezamita ankehitriny, fa tsynavela ho rendrika ny sambo,vao milaza fa hanavotra nyvahoaka entiny ?Io no resabe nandehanandritra ity herinandro ity,tamin’ny nivadihan’ingahyRaharinaivo Andrianatoandrot ampok a , hi a ra -da l anaamin’izao fitondrana tetezamitaizao. Io dia vokatr’ilaysonia nataony teny Ivato.Nanohitra hatramin’ny faranyity FAT ity ny tenany, ary nidiranyam-ponja mihitsy izany.......
Tsy azo ekena izao fitondrana izao, ary tsy maintsy averina amin’ny ara-dalàna ny tany sy ny firenena. Io no teny nataony, ary nidinany an-dalambe mihitsy. Ireo anefa no nahatonga azy nitsidika nandritra ny fotoana maro ny fonjan’Antanimora. Dia nandeha teny ny andro sy ny volana, ary nivadika ho taona. Lefy ilay hafanam-po tao amin’ity mpitolona nikoizana ity, satria nanao sonia namadika ilay lehibeny hatramin’izay izy. Mety ho io no lalana hivoahana amin’izao krizy izao, saingy toa nandà iny sonia iny avokoa ny mpanao politika mahataka-davitra sy ny sehatra iraisam-pirenena. Dia sanatria ve ka herim-po ho raraka an-tany fotsiny ny an’ity TIM nafana fo sy ny namany ity ? Rendrika ny sambo nitondra an’i Madagasikara, fa tonga ingahy mpanao politikan’i TIM, saingy mbola milona any anaty rano hatramin’izao ilay sambo noheverina fa ho tafakatra taorian’iny sonia farany iny. Vainafo zanany