lun.

23

août

2010

Matezà ny aina…

Fihetsika nanaitra ny mpanara-baovao ny fametrahampialan’ny Ministry ny fifandaisan-davitra sy ny teknolojia vaovao, Rahaingoson Iharizaka. Nanaitra satria toe-javatra tsy fahita matetika eto Madagasikara izany hoe ministra na tompon’andraikitra ambony mpitondra fanjakana, na olom-boafidy sahy mametra-pialana izany, indrindra fa noho ny tsy fitoviam-pijery amin’ny fomba hitantanana ny firenena. Fihetsika fahita sy fandre any amin’ireo firenena mandala ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ny toy ireny. Ary tsy mahagaga raha mandroso ireny firenena tahafintsika ireny, satria andraikitra raisina noho ny fitiavan-tanindrazana ny toy izany. Ny nahagaga ny mpanara-baovao sasany fotsiny dia ny hoe : nahoana no nanaiky niditra tao anatin’io governemanta io izy, raha tsy nahatanty ny toe-javatra toy ireny ?.........

Ny nahafanina ny rehetra fotsiny tamin’iny toedraharaha iny dia ny fahasamihafan’ny lohatenim-baovao nivoaka an-gazety manodidina iny toe-draharaha iny. Satria tao ny nilaza fa « noroahina » tsy ho ministra Rahaingoson Iharizaka, ny ankamaroan’ny gazety anefa nanambara fa « nametra-pialana ». Saingy rehefa namaky ny lahatsoratra ny mpamaky dia nazava taminy fa « nametra-pialana » ity ministra ity, ary nihazakazahan’ireo « lehibeny » ny namoaka didim-panjakana nandroahana azy taorian’ny nametrahany fialana mba ho takon-kenatra. Dia maro no nitsetsetra hoe : « raha mba toy izany avokoa no ataon’ny sasany, na hatramin’izay na manomboka izao, dia mety mba hanana ny toerana mendrika azy amin’izany hoe firosoana ho amin’ny fampandrosoana marina sy afaka miala amin’ny « tsy maty manota » dradraina isan’andro ny firenentsika ». Mbola vetsovetso sy tsetsetra ihany anefa izany hatreto, indrindra raha manara-maso ireo trangan-javatra mamohehitra niseho tao anatin’izay volana maromaro izay, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanodinkodinam-bola, ny fitrandrahana sy fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena sy vatosoa, sns izay efa mahavaky vava hatramin’ny vahiny any ivelany any, ary mampiraviravy tànana ny vahoaka monina ambonin’ireo harembe ireo kanefa mahantra noho ny afitsok’ireo milaza fa mpiaro ny tombon-tsoam-bahoaka. Izany tokoa no tonga amin’ilay hoe « manao tari-baton’ny vilam-bava, ka hafa no tondroin’ny molotra, ary hafa no ataon’ny tànana ». Fa fanontaniana goavana mipetraka ihany koa ny hoe : dia hotanteraka amin’izay ve izany ny fametrahana governemanta hisokatra amin’ireo mpanao politika nahavita sonia teny Ivato, taorian’izao fametrahampialann’ny ministra iray izao ? Sa mbola miandriandry aloha sao dia misy ministra hafa hanara-dia azy koa atsy ho atsy ? Dia iza no ho ministra hihazakazaka hisolo toerana azy amin’ireo maromaro efa mirangorango any ambadika any, ka hanaiky hanao « akondro mifanafin-dravina » amin’ireo nandroaka an’ity Ministra ity ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra