lun.
23
août
2010
Na tsy dia manam-bola firy atoraka amin’ny fakana vakansy aza ny ankamaroan’ny olona amin’izao krizy izao dia tsy manakana azy ireo hampihatra ireto torohevitra manaraka ireto izany. Tsaratsara kokoa mantsy ny miaina ny fiainana ara-pananahana any am-pialana sasatra, raha ny fahitan’ny mpandinika azy. Eo no fotoana ialana amin’ny fomba mahazatra, ka mety ho azo atao hifanaraka amin’izay ihany koa ny toerana hanaovana firaisana ara-nofo. Manana toerana hafa maro azo hisaf idianana ny mpivady mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra. Eny amin’ireny lalam-be migodana ireny ohatra dia toerana azo anaovana izany tsara, indrindra amin’iny harivariva iny. Toy izany ihany koa eny amin’ny lavarangana malalaka, na ny “terrasse” amin’ireny trano lehibe ireny.......
Mampangitakitaka ny feon’ny fiara mandalo sy ny fitsoky ny rivotra amin’ny vatana. Ho an’ireo nahazo tombony handeha any amin’ny morondranomasina dia manampy be azy ireo ny tora-pasika, na ny lakana … toerana azo isafidianana avokoa. Tahaka izany ihany koa ireo miala sasatra any amina tanàna misy riandrano. Azo andramana tsara ny anaty haram-bato sy eny ambany rian-drano eny, saingy amin’ilay andro mafampana iny no tsara hanaovana izany. Mitovitovy amin’izay ihany ny any anaty dobo filomanosana. Azo andramana ihany koa ny eny ambonin’ireny “balançoire”, izay tsy natokana ho fialambolin’ny ankizy fotsiny fa mety ho azon’ny mpivady asolo fandriana. Ho an’ireo mankafy ny mitokatokana anaty zavaboahary dia mety ho azy ireo tsara ny any anaty trano lay, indrindra raha manakaiky tora-pasika ranomasina ny toerana. Toy ny sora-jandiana ihany io fitiavana sy fiainana ara-pananahana io, ka samy manana ny mahafinaritra azy ny tsirairay. Ny mampihatra azy fotsiny no sisa.