lun.
23
août
2010
Fantatra izao tao aorian’ny filan-kevitry ny minisitra farany teo, fa voatazona ihany ilay fanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka ny 17 Novambra 2010 ho avy izao. Ny manintona kely ny saina dia hoe: aiza izay lalàm-panorenana ho fidian’ny vahoaka, dia iza amin’ireny noraisin’ny tao amin’ny CCC ireny no ho raisina, ka ho volavolaina hitantanana ny repoblika faha efatra. Efa manomakomana ny fifidianana amin’izao ireo antoko politika maro izay mivondrona ao anatin’ny « espace de concertation des parties politiques ». Raha izao aloha no fandehany dia voahaja ireo fehin-kevitra sasany tao anatin’ilay fifanarahana izay nosoniavina teny Ivato, marihana mantsy fa anisany tafiditra tao anatin’io fifanarahana io ny hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 Novambra 2010, fa mbola ao koa ireo daty maro samihafa. Eny e ! mazava izany izao fa hanantanteraka io fifidianana io isika, saingy aiza izay lalàm-panorenana ho fidiana eo ! i Pasitera Mailhol aza dia nilaza fa « tsy mbola nisy lalàm-panorenana mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka lany teto Madagasikara, fa hatramin’izay repoblika maro nifandimby izay dia mbola ny lalàm-panorenana mifanaraka amin’ny filan’ny mpitondra hatrany no lany ».......
Io no fijerin’ity mpitondra fivavahana fa mba ahoana kosa ny an’ny vahoaka izay maniry mafy ny fiovana eto amin’ny firenena, izay miainga amin’ny fanovana ny lalàm-panorenana ? Raha tsahivina fohy aloha dia efa nisy ihany ny fandraisana ireo tolo-kevitra avy amin’ny mpanao politika sy ny olontsotra izay nataon’ny tao amin’ny CCC, saingy toa tsy nisy hita izy ireny amin’izao, tsy mbola nisy akory aza fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo volavolan-dalàmpanorenana, izay mifanaraka amin’ny filan’ireo nandroso hevitra, fa nogobonon’ireo ao amin’ny fitondrana. Marihana fa nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo dia fantatra fa efa miomana amin’izany fifidianana izany ny mpitondra ao amin’ny HAT. Raha ny zava-misy anefa dia toa fifidianana an-jambany ihany izy ity, satria ny ho fidiana izany hoe ny ekena na ny ho lavina aza tsy fantatra akory.
Hanana olona halatsaka ho fidiana avokoa ve ireny antoko miisa 87 nanao ilay sonia teny Ivato ?
Raha ny nambaran’ny mpanao politika iray dia ny 90%n’ireo antoko politika nanao sonia iny fifanarahana teny Ivato iny dia tsy manana olona halatsaka ho fidiana, ary tsy mbola nandrotsaka olona ho fidiana akory, isika anefa tsy maintsy hanao fifidianana na ho ela na ho haingana. Dia mampanontany tena ihany hoe natao hameno isa fotsiny ve izany izy ireny, sa kosa natao hanamafy ny sezan’ny mpitondra fotsiny ihany? Etsy an-daniny anefa dia manohy ny fivoriany ihany izy ireo, ka anio dia nisy indray ny fihaonana tetsy Ambohidahy. Raha ny fantatra dia ny mahakasika ny ho fanatanterahina ireo fifanarahana izay nosoniavina no anton’izany.
tsy lalam-panorenana anie no asaina hisafidianantsika fa lalam-pangoronana ê !
mbola mila ho tsapaina indray ve ny hevi-bahoaka. Efa ngononiny isan'andro eny @ fiaraha-monina rehetra eny. Izaho mahalala ianao tsy atoro fa dia iraisana ilay teny hoe mafy ê !
Ny fanafodiny dia ampianaro ny zaza mba tsy hitovy fiasainana ohatran'Dénise Be ny tena foana no lehibe fa ny loha ....
Ny teo ihany no miverina , tsy misy fanjakana zany eto satria noravana ny teo aloha, dia tsy misy lalam-panorenana mifehy azy intsony. Ny mampalahelo dia ny fanaovana amboletra foana isaky ny manao zavatra , ny an'ny firenena hafa zany lalam_panorenana dia efa voavolavola tsara fa ny antsika de terena ho masaka foana fa tsy tafa e!
