sam.
21
août
2010
Mihaosa angaha ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka ao no tsy re firy ianareo tato ho ato ?
R.J.L : Resabe ety ivelany izany, amin’izao fotoana izao no tena ilàna ny firaisan-kina. Ny sabotsy 20 aogositra izao dia hisy hetsika sy filaharambe hataon’ny ankolafy telo. Hanainga amin’ny toerana samihafa eto Antananarivo. Hisy hiainga eo amin’ny Astauria Antanimena, eny amin’ny tetezana Behoririka, eny Ambohi jatovo, eny amin’ny ny e spl anade Analakely sy ireo toerana efa nahazatra tany amin’ny boriborintany ary hamonjy ny toeram-pivoriana etsy amin’ny Magro Behoririka. Ha s e h o n t s i k a f a mi s y Malagasy marobe tsy manaiky izao fitondrana mampahory ny vahoaka izao.......
Tsy mba leo korontana sy baomba mandatsa-dranomaso mihitsy angaha? Sady ianareo mpitarika anie tsy hita mivantana eny ankianja matetika e ?
R.J.L : Tsy marina izany! Ny biby tsy manan-doha tsy mandeha. Ny olon-drehetra anie samy miandrandra fitoniana daholo e! Ireo miaramila nioko tamin-dRavalomanana Marc teto izao ; dia tafaresaka taminay ny ankamaroany, ary namoaka ny tao am-pony fa efa leo tsy filaminana, leo ity fifanenjehana samy Malagasy ity. Niangavy mihitsy ary izy ireo ny hampitànay ny hafatra any amin’ny Filoha teo aloha fa mila antoka sy filaminana izy ireo, ka raha misy ny fodian-dRavalomanana eto dia te-hahatoky ry zareo fa tsy hisy intsony ny fanenjehana sy ny valifaty rehefa vita ny fandaminana izao disadisa izao.
Ka tafitanareo ve ny hafatra ?
R.J.L : N y F i l o h a Ravalomanana dia efa niaiky ny hadisoana vitany, ary nampanantena hanova ny fihetsiny izy talohan’ny namindràny ny fahefana tamin’ny miaramila. Amin’izao fotoana dia efa naverimberiny matetika tamin’ireo Malagasy marobe manohy ny tolona nandritra izay fotoana maro izay fa “hanangana fanjakana tsy hisian’ny fifankahalana sy ny valifaty isika” ary indrindra koa dia hamafa ny lasa rehetra tsy nety sy tsy nahomby. Nampanantena koa izy fa hampijoro tontolo ara-toekarena ahafahan’ny rehetra mihary an-kahalalahana ka tsy hiverenan’ny fomba tsy mety rehetra teo aloha.
Tsy “kenda vao dony aho ranaotra” sy fampanantenana diso aoriana loatra ve izany?
R.J.L : Ny tsy mahay miova hevitra no diso indrindra, Voaporofo izany ankehitriny amin’ny lalan-diso hizoran’ny mpitondra amin’izao fotoana. Hatao amboletra avokoa izay fanapahan-kevitra raisina. Izao dia faly fa hizara toerana indray any amin’ny kaongresy sy ny CST any. Ny toy izao no nolazaina sy notoherina. Anisan’izay koa ny fanambatambazana ny ankolafy hafa, mba haharava tanteraka ilay fiarahan’ny ankolafy telo mitambatra.
Milamina tsara izany ny ankolafy Ravalomanana taorian’ireny fisamatsamahan’ny TIM ireny ?
R.J.L : Ny olana eo amin’ny TIM dia tsy hitarika inona eo amin’ireo mpanohana sy ny ankolafy Ravalomanana. Io TIM rehetra io dia mpandova ilay mpamorona azy daholo. Vao nijoro ny FAT dia efa nisy birao politikan’ny TIM, nanaiky ho tendrena HAT. Tadidio fa Maître Sylla anie tonga teny amin’ny 13 mey mihitsy e! Marobe e! Fa ny vahoaka malagasy tsy mijery ireny mirangorango fahefana ireny fa ny maharesy lahatra azy dia ny famerenana ny fanjakana tan-dalàna sy eken’izao tontolo izao.
Ka tsy efa hatao ve izao ny fifidianana ahitana izay lazainao fa feom-bahoaka izay ?
R.J.L : Vao mainka hampiady antsika io satria manorin- javatra kitoatoa loatra, tsy ifanarahana ary tsy ara-drariny sy tsy mifototra amin’ny lalàna velona, ary aiza koa moa izay vola hanatanterahana izany ? Ary efa mitaraina vokatr’izany ireo miaramila
Mahereza ry ankolafy telo fa tsy mbola nisy tolona madio sy mangarahara tahak'izao.Tompo anie homba anareo.
Tena potika tanteraka rey olona ny trois mouvances a!
LAZA ADINA I
« Tena potika tanteraka rey olona ny trois mouvances a! »
Sombin-drediredy notsongaina tao @ angano nosoratan'i D.R
Fakafakao ary asongadino anaty andalana vitsivitsy ny fahaizan'ny mpanoratra milelaka ny ...sy miantehatra @ andry Boboka (azafady andry mafy satria vita @ bois de rose kay).
