sam.
21
août
2010
ny Jirama, fa ny fanomezana fahafaham-po ny vahoaka, dia zerô. Io no hita nanomboka omaly amin’ilay filazana fa manomboka amin’ny 5 ora hariva no hisy ny delestazy eto amintsika noho ny fanamboarana ny toby mpamokatra herin’aratra ao Andekaleka. Miaina anaty krizy ny vahoaka malagasy, ary ny fanaovana asa izay hivelomana no atao, na orinasa goavana, na ihany koa ny isantokan- trano. Ny loza anefa, dia miaina ao anaty haizina ny rehetra, ka ny asa tokony hatao amin’ireo ora voatondro ireo, no indro fa hajanona......
Dia fatiantoka hatrany no hita e. Ny haizina vokatry ny krizy tsy lazaina intsony, nefa mbola hampiainana ao anaty krizy ny vahoaka madinika. Ny manan-katao, dia mampiasa “groupe” mandeha amin’ny solika, na ilay fitaovana mandeha amin’ny masoandro. Ny kil mampiasa ny fitaovan’ny JIRAMA kosa, dia veloma hatreo fa mividy labozia, ary mitombo indray ny fatiantoka. Etsy ankilany, dia tsy mihena fa mitombo hatrany ny vola aloan’ny vahoaka amin’ny Jirama. Dia haizina miampy krizy no iainan’ny vahoaka e. Atao ahoana moa fa fanamboarana hono no hatao, ka izay fatiantoka vokatr’izany, dia hiafio eo, fa modia aloha ihany na dia izany aza, sao tratry ny jiolahy any anelakelan- trano any vao ho loza amin’ity haizina novolena ity. Ramanaintaina
Ny anareo ary zany mba jiro fotsiny fa ny aty aminay dia sady jiro no rano
Fahafirin'ny tamin'ny andron-dRavalo izany!
