sam.
21
août
2010
Tsy mandehandeha ho azy ny zavatra rehetra ho an’ny manam-pahaizana fa manana ny heviny avokoa. Toy izao manaraka izao ny hevitry ny vato tsirairay. Fantaro ary fa midika ho fahadiovana ny diamondra. Izy no mpanjakan’ny vato sarobidy rehetra. Famantarana ny filaminana sy ny fahafenoana izy, noho izay. Ny “rubis” indray di a midika ho fitiavana mifamaly. Midika fahendrena ny safira. Mandrisika ny olona mitondra azy ho amin’ny tsy fampirafesana izy, noho ilay lokony manga iny. Fitiavana marina tsy misy fitaka kosa no hevitry ny emaraoda. Anisan’ireo vato sarobidy tsara endrika indrindra izy, amin’iny lokony maitso iny......
Ankoatra ireo vato ireo dia mbola anisan’ny sarobidy ihany koa ny “grenat”, izay midika fahatoniana. Ny “améthyste” midika fahatsorana, ny “sanguine” midika herimpo, ny “perle” midika fahasalamana sy fahavelomana ela, ny “sardoine” midika fahasambarana ao an-tokantrano, ny “opale” midika fanantenana, ny “topaze” midika tsy fampirafesana sy finamanana, ny “turquoise” midika fahasambarana sy fitiavana. Efa fantatrao ary ireo ny hevitry ny vato sarobidy, ka anjaranao ny misafidy izay metimety aminao sy ny finoanao.
diso angamba io "topaze" io tsy mpanoratra: "fampiresahana sy finamanana" fa tsy "tsy fampiresahana sy finamanana" ary ahoana ny zircon, tourmaline,aige marine, beril sy ny quartz fummee izay tena maro hanana ny malagasy?
