sam.

21

août

2010

« Course ampondra »

Mihazakazaka tsara ny ampondra na dia biby malaindaina fihetsika aza. Fa inona hono no antony rey olona ? Asian’ilay mpitaingina azy karaoty ts’inona eo anoloany e ! Dia mamono tena (ara-bakiteny) ery ny ampondra, hadinony ny namany satria efa eo anoloany ny sakafo tiany sy ankafiziny. Faly ny mpijery ny course satria manome antoka amin’ny fandresena ny ampondra. Ilay mpitaingina anie no mahazo voninahitra sy hibata ny amboara fa tsy ilay ampondra e! Sao diso hevitra ary ity ianao mibitabitaka tsy amin’antony ity. Tsy mila hazavaina ny sarin-teny! Tsy ny mpanao politika malagasy tsy akory no ndeha hikorosy sy hihevi-tena ho ampondra. Hanomboka ny fizarana toerana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena. An-jatony anie ny seza sy tombontsoa ho zaraina e! Hidanadana indray ny any Tsimbazaza any, ny etsy Anosikely, sns... Ho tanterahana avy hatrany izay voarakitra ao anatin’ilay ”Dinan’Ivato”, tsy misy sakana tsy hahatanterahana izany rehefa ny “karaoty” no atao masaka ao an-doha. Tsikaritra ho toy ny nanome vahana ihany mantsy ny fanambaràna nataon’ireo nivory tany Windhock, namporisika ny fitadiavana ny fifampidinihan’ny samy malagasy, mampanantena famantsiana vola raha mifanaraka tsara amin’ny fototry ny fampanjakana ny “inclusif” sy ny “consesuel”, mbola nampiany teny hafa indray anie e!...........

“Conference nationale souveraine”. Asa indray izay handikàna izany teny izany. Ny teo aloha ary ity tsy hita veroka izay mba hifanarahana aminy, mainka mbola hiampy zavatra hafa koa? Ny sazy sy ny dina iraisam-pirenena aterak’izany dia mbola tsy voavaha hatramin’izao. Ireo tafataingina eo ambonin’ny ampondra moa dia manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny tambitamby isankarazany, hambanany ho karavasiany izay mitady hihemotra sy misalasala. Toa mbola niantso ampondra antitra koa àry ny sasany fa manana fomba fihazakazaka hafakely, hono, ireny ka mety ho tsy sarotra intsony ny hanatrarana ny tanjona raha miara-mihoby ny mpitazana rehetra. Tadidio anefa fa misy ireo mbola tsy nanaiky nandray ny fiaingaina hatramin’izao. Mbola miandry, ary tsy manaiky mihitsy ny fanaovana angovo tamin’ilay mpanazatra teo aloha teo. Ny vola eo am-pelan-tanana anefa ity efa manify dia manify sy tsy haharitra an’izao hazakazaka mbola lavitr’ezaka izao. Tsitsiana izay eo an-tanana fa tsy mahazo mirobaroba. Dia velona ny fidongiana isam-paritra sy isan’ambaratongany. Fitakiana etsy sy eroa : Mba omeo ny tokony ho anay, nankaiza ny tanteliko teto? Ny tohin’ny lanonana dia miankina tanteraka amin’ny mpijery satria raha vao misy ampondra “non-partant” dia tsy hanaiky mihitsy ireo mpomba azy, satria efa nandoa vidim-pidirana izy ireo, ary nanantena mafy fa tsy maintsy hanjofo ny sehatra. Nahoana kosa moa no “fampisehoana fitaka” no asaina hankafiziny? Samy manan-tsaina, ho’aho, fa matezà ny aina hijery ny tohiny. Mety ho farombaka mantsy no hiafaran’ilay fitadiavana “karaoty”. Aza misy anie izany! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Dénise Rabe (dimanche, 22 août 2010 08:12)

    Dia vita hatreo zany aloha ny amin-dRavalo sy ny forongony fa dia faharesena miezinezina no iny nanjo azy ireo iny!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra