ven.
20
août
2010
Mi la f iomanana arapitaovana sy ara-moraly ny fidirana amin’ny rafitra LMD (Licence Masters Doctorat), ho an’ny sampam-piofanana rehetra misy eny amin’ny oniversite manerana ny nosy. Anisan’ny depar temanta iray eo anivon’ny ENS (Ecole Normal Supérieur) ny mpiofana amin’ny taranja EPS. Efa vonona ny antontan-taratasy rehetra hiatrehana io rafitra LMD io. Nambaran’ny profesora Randrianarimanana Jean Claude, talen’ny ENS fa hampakarana avo ny lentan’ny mpianatra mivoaka eto amin’ity sekoly ambony ity ny fidirana amin’io rafitra vaovao io. Ankatoavin’ny firenena maro eran-tany izy io, ka ahafahan’ny mpianatra sy ny mpampianatry ny Oniversite mivezivezy manao fikarohana hatrany ivelany.......
Efa vonona koa ny fampiofanana ny mpampianatra, hanana lenta mifanaraka amin’ny rafitra LMD. Tohanan’ity tale ity mafy tokoa ny fidirana amin’ny LMD nohon’ny fahatsapan’ny maintimolaly ny fidinan’ny fari-pahaizan’ny mpianatra mivoaka eto. Tsy toy ny taloha hoy andriamatoa Razafindranaivo Jean Olivier. Tsapa, hoy ihany izy, fa ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny tsy fahampian’ny entimanodina ny departemanta no fototra ka nahatonga azy mivady, izay samy nivoaka tao amin’ity sekoly ity tamin’ny taona 1980 sy 1981, nitondra anjara biriky hanohanana ity sekoly ity. Notoloran’izy mivady fitaovana mitentina 1200 Euro ny sekoly, ahitana baolina sy solosaina. Nomarihan’ny mpanolotra fa ny mpianatra mihitsy no hanara-maso ireo fitaovana ireo mba tsy hisian’ny fanjavonan’ny entana sasany toy ny boky maro nentin’izy mivady ireto tamin’ny 2008, izay tsy hita popoka hatramin’izao. Andriamatoa Razafindranaivo Jean Olivier dia mambran’ny CEN ( Comi t é E x e c u t i f National), ao anatin’ny RNS, fivondronan’ny fikambanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina any Eoropa. Tonga miala sasatra eto antanindrazana izy izao manolotra fanampiana ho an’ny ENS izao. Tetsy amin’ny gymnase Ankatso no nandraisan’ny mpianatra ireo fitaovana.
misaotra betsaka fa raha manao toy izao daholo ny mpianatra sy mipetraka aty ivelany dia lasa lavitra ny firenanatsika malagasy misimisy ny toy izao bonne vacances ha any mpanolotra
