ven.
20
août
2010
Niova endrika indray ny fifanandrinana politika misy eto amintsika. Niova ho adin’ny fifanarahan’ny Maputo sy ny tovan’ny Addis Abeba amin’ilay fifanarahana politika nosoniavin’ireo mpanao politika niisa 80 teo ho eo na ny « accords politique minima » indray izany ankehitriny. Ny fizotry ny ady : Raha atao indray mitopy maso dia hita avy hatrany ny fahasamihafan’ireo fifanarahana roa ireo. Ilay voalohany dia natao tany ivelany ka teo ambany fiahian’ireo mpanelanelana iraisam-pirenena ary nosoniavin’ireo filohana ankolafin-kery politika efatra misy eto amintsika, dia ny fivondronan’ireo antoko politika miisa an-jatony mahery ka mitovy firehan-kevitra. Ny faharoa kosa dia ireo antoko politika niisa 80 mahery no nanao sonia azy teto an‑tanindrazana ka ireo avy eo anivon’ny fitondrana misy, izay iray amin’ireo ankolafin-kery politika tany Maputo ihany no nitarika azy. Mazava ho azy fa tsy manan-kery araky ny lalana, izany hoe tsy mahaova sy tsy mahafafa ary tsy mahafoana iry voalohany akory ity farany, koa noho izany dia tsy mbola ankatoavin’izao tontolo izao. Ny fepetra faran’izay bitika takian’izao tontolo izao sy isika Malagasy aza tsy voahaja akory, dia ny fifanarahan’ny rehetra tsy an-kanavaka, satria tsy tazana nanao sonia tao ireo antoko politika am‑polony maro mivondrona ao anatin’iezo ankolafy telo hafa miampy ireo antoko politika hafa toy ny Monima, MDM ary ny Tambatra, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.....
Raha tena halalinina anefa izay voalazan’ireo fifanarahana roa ireo dia tsy hita loatra ny mahasamihafa azy ireo, raha tsy hijery afa-tsy ny firafitry ny tetezamita izay hitondra ny tany sy ny firenena hivoaka izao krizy izao hihazo ho any amin’ny repoblika fahefatra. Na ny fifanarahan’ny Maputo sy tovan’ny Addis Abeba na ny « accords politique minima » mantsy dia samy mametraka rafitra roa miavaka tsara dia ny rafitra mpanatanteraka ahitana ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita sy ny governemanta tarihin’ny praiminisitra iraisana ary ny rafitra mpanao lalana ahitana ny kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny filan-kevitra ambony momba ny tetezamita (CST). Samy ahitana ilay rafitra napetraka ho mpampihavana dia ny komitin’ny fampihavanam-pirenena ihany koa izy roa ireo. Ny mampiavaka kely an’ilay nosoniavina teny Ivato fotsiny dia tsy nisy lefiny ny filohan’ny tetezamita. Hita miavaka avy hatrany izany ny antony tsy nahatanteraka ilay fifanarahan’ny Maputo sy ny tovan’ny Addis Abeba, dia ny resaka olona sy fizaran-tseza. Efa noferan’ilay nosoniavina tany an-drenivohitry Mozambika mantsy ny anjara seza ho an’ireo ankolafy efatra sy izay tsy tafiditra ao anatiny, ka anjaran’ny tsirairay indray no mifandamina. Ilay teny Ivato kosa tsy nametra fa araka izay mbola hifanarahan’ireo antoko politika nanao sonia ihany, sady efa voalazan’ny tao amin’ny andininy fahafito amin’io fifanarahana io ihany koa fa tsy tafiditra ao anatin’ny mpiara-mitantana izay mpanao politika na olontsotra tsy tao anatin’ireo antoko politika na fikambanana nanao sonia izany.