ven.

20

août

2010

Io kilaingalainga io ihany

Io kilaingalainga io ihany ange no efa nampahantra antsika tahak’izao sy nahatonga antsika ho tafalatsaka ao anatin’ny krizy toy izao. Nefa mbola mitohy hatrany ny famafazana lainga etsy sy eroa. Raha mbola eo andalam-pizarana seza ireo mpanao politika nifanaraka sy nifanao sonia teny Ivato, dia mitohy mamafy lainga ihany any ambadik’izany ireo mpanao politika sasany, ka sahy milaza ho fanta-bahoaka fa neken’ireo ankolafy roa hafa, dia ny ankolafy Zafy Albert sy ankolafy Didier Ratsiraka iny volavolankevitra iny. Nisy mantsy ny fanantonan’ireo mpanao politika mpikambana ao anatin’ny « espace de concertation » an’ireo mpikambana sasany eo anivon’ny « hery politika mitambatra » izay mpikambana eo anivon’ny ankolafy Zafy Alber t sy ireo mpitantana sasany eo anivon’ny antoko AREMA, ao anatin’ny ankolafy Ratsiraka. Na dia tsy azo natrehina aza ireo fihaonana ireo dia nisy sahy nanambara ireo mpanao politika mpikambana ao anatin’ny « espace de concertation » fa nanaiky ilay drafitra nosoniavina teny Ivato ireto farany.

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    Dénise Rabe (vendredi, 20 août 2010 10:59)

    Rehefa jerena tokoa manko ny tantara sy ny zava-misy dia tsorina fa i Ravalomanana no tena tranoben'ny lainga!

  • #2

    ndriana (vendredi, 20 août 2010 11:22)

    Efa mahazatra anareo io ry Dénise Rabe a! ilay hoe ekeko ani fa rehefa rahampitso dia laviko marin-drano sa ilay hoe efa nalevina omaly ny lalampanorenan' ny Repoblika fahatelo fa ny satan'ny Mapouto izao ny ianantsika nefa rehefa manao fanendrena dia hoe "Arakan'ny lalampanorenana.sao ny olona tahakanareo no tena mahay mitantana ny fitodrana .Raha ny hita dia ny mpitondra teteza-mita amin'izao fotoana izao dia manana fomba hafa tsy hanan'izao tontolo izao ka mba manontany anao aho hoe manana ny fisainana mpitondra ve ny olona toy izany?
    ary ny olona toy ny MINPTT amiko no tena TANORA manana ny maha izy azy ary sahy mitana ny teny natao fa raha tsy avoaka ny fahazoan-dalana ho an'ny MADAMOBILE dia hiala ary notanany ny teniny ( tsy omena alalana hiasa ny MADAMOBILE fa hoe an'i FILOHA RAVALOMANANA hono io MADAMOBILE io FILOHA hoy aho satria voafidim-bahoaka) Mba ampianaro ihany ny zandrikelinareo fa mamenatra ny mahatanora ny toy ireny misavin-tsaranga ireny ary mitomany randrana manendrika ny hafa.Mahazotoa Rabe mitoky amin'ny hazo modroka fa tsy boboka akory aza.

  • #3

    Rafahendrena (vendredi, 20 août 2010 12:57)

    Efa potika sy rotidrotika ny firenena, dia mbola misy olona sahy manohana an'io "boaikely" tsy ampy fahaizana sy tsy mamana "baccalauréat" io ihany! sady notsipahiny ny "sonia" nataony tatsy Maputo, no tsy mitsahatra mamafy lainga sy mamitaka ny mpiray tanindrazana izy! io izao fa ahemotra indray ny "conférence nationale", diambola misy olona "manam-pinoàna amn'io ihany!

  • #4

    zanaky Ra Valo (dimanche, 22 août 2010 10:31)

    Mba jereo @ internet ny 1947 hoe ahoana ny nataon'ny frantsay an'i gasikara.ary raha ny mpitolona ao @ magro dia tsy hijanona zany reo raha tsy miverina eo dada.efa natombony io de tsy maintsy faranana.
    Ho an'ny ry denise rabe sy ny forongony ahorony ny entana de ndana makany france sao oaika eo hoe nanao afera bois de rose,nanimba ny tanindrazana,namotika ny fananan'ny sasany,managadra olona @ tsy misy dikany,.....

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra