ven.
20
août
2010
Vita iny ny fanaovantsonia ilay fifanarahan’ireo antoko politika milaza azy ho nitambatra ho amin’ny tombot soa ambonin’ny firenena. Nahita marimaritra iraisana ihany ireo mpanao politika miisa 80 mahery eo ho eo. Tonga amin’ny tanjona iriany hatrizay ihany izany ireo mpanao politika Malagasy, dia ny fizarantseza. Raha atotaly mantsy dia manodidina ny 200 eo ho eo ny seza hozaraina araka ny voasoratra ao anatin’io fifanarahana io. Tsy maintsy ireo izay nanao sonia aloha no hitana andraikitra voalohany ao anatin’ny rafitra tetazamita vaovao hajoro ary tsy adino amin’izany ireo mpitondra ankehitriny........
Efa mandeha any ambadimbadika any rahateo ny fakan-kevitra ho amin’ireo toerana ambonimbony sasany. Ny toeran’ny praiminisitra, ny filohan’ny filan-kevitra ambony momba ny tetezamita, ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita ary ny komitin’ny fampihavanampirenena aloha no tsy maintsy zaraina faran’izay haingana dia manaraka eo ny ambiny toy ny minisi t ra sy i reo mpikambana eo anivon’ireo rafitra mpanao lalana sy mpampihavana ireo. Tsy misy atahorana intsony noho izany ny korontana politika, satria samy efa hahazo seza ireo mpikarama politika ireo. Izany ve no atao hoe fitiavan-tanindrazana sa hambompom-pirenena ? Ny seza sy voninahitra ve sa ny fitsinjovana ireo vahoaka hiala amin’ny krizy sy ny famoahana an’ity tanindrazana malalantsika ity ho any amin’ny tena repoblika fahefatra anjakan’ny tena fifandimbiasam-pahefana ? Ireo antoko politika sy fikambanana na mpanao politika manohitra izany ka tsy nanao sonia io fifanarahana teny Ivato io indray ankehitriny no dradradradraina etsy sy eroa ho tsy tia tanindrazana fa manakana ny lalana migodana efa hita soritra hivoahana amin’izao krizy izao.