jeu.
19
août
2010
Nivoaka ny alatsinainy lasa teo tamina fikarohana amerikana iray fa mahatsiaro ny tenany ho manja sy mahasarika kokoa ny vehivavy mandritra ny vanim-potoana maha-lonaka azy. Tsara kokoa ny fitafiana safidiany ary tsy mihambahamba mividy firavaka ihany koa izy amin’io fotoana io. Tia misaritsarika lehilahy kokoa, hono, izy amin’iny sady tia mandrafindrafy vehivavy hafa. Voasintona kokoa hividy karazana fitafiana manaitaitra mihitsy ny ankamaroan’ny vehivavy mandritra ny fotoana maha-lonaka azy. Rehefa natao ny fampitahana teo amin’ny vehivavy miisa 269, dia tsikaritra fa jejojejo kokoa ireo tonga amin’ny fotoana maha-lonaka raha oharina amin’ireo tsy miaina izany. Mandeha kokoa ny tsenan’ny fitafiana “sexy” amin’io fotoana ihetsehan’ny retsimpanentan’ny vehivavy io.