jeu.

19

août

2010

Sasàn’ny FAT ny atidohan’i Deba sy Zafy

Tsy tafavoaka ny baolina ! Inona no hevitra, mba hanaiken’ny sehatra iraisampirenena ity tetezamita ity ? Vaha-olana sady mahomby ny fanasàna ny ati-dohan’i Deba sy Zafy. Aleo Ravalo ho any, fa efa nisy TIM nivadika afaka hanat r ika ny fikaonan-doham-pirenena. Taor ian’ i lay taratas y n a l e f a n’ i n g a hy Z a z a h Ramandimbiar ison tany amin’ny filoha teo aloha Zafy sy Ratsiraka, dia tsapa fa tsy mahita lalan-kivoahana intsony ny fitondrana FAT ankehitriny. Mila vonjy amin’ireo ray aman-dreny roalahy ireo sisa no azo atao, satria mety ho voatambitambin’ilay teny mamy hoe « mila ny traikefa anananareo ny mpiray tanindrazana amin’ny fanarenana ny firenena.....

Mbola notovanana hoe “miantso ny fahendrena sy ny fitiavan-tanindrazana avy aminareo izahay” mba hitondra ny anjara birikinareo amin’ny fampahombiazana ny fikaonan-doham-pirenena, izay antoky ny filaminana ara-tsosialy sy ny fiverenantsika amin’ny ara-dalana ». Dia lasa ny saina hoe, fa angaha manana fahendrena indray ireo olona ireo ? Raha nahatsapa izany ianareo, nahoana no navela nanao sesin-tany ny tenany any ivelany any i Deba ? Be ireo hevitra narosony hatramin’izay, saingy toa nodiana tsy hita, fa nihevitra ho tompon’ny fahaizana sy ny fahendrena ity tetezamita ity, ka nitondra ny baolina samirery. Efa mandifotra izao ny ranom-bary, vao miantso vonjy any amin’ny mpitondra roalahy ingahy Zazah Ramandimbiarison. Nahoana ihany koa no tsy nanaovana antso avo ny filoha teo aloha Ravalomanana ? Sa iny no tena atahorana, ka aleo tavela irery any Afrika atsimo ny heviny sy ny momba azy ? Mbola mandeha ila ny tena fikatsaham-baha-olana raha toy izao, satria isan’ny maha-tonga izao fikatsoana eto amin’ny firenena izao ny fanonganana io olona io, ka handavan’ny vahoaka maro sy ny firenena eran-tany ity fitondrana ity. Olona manampahendrena tokoa ny filoha Rtsiraka sy ny filoha Zafy, ka mahatsapa, fa tsy iny fanasàna ny ati-dohany iny, no hanilihany ny namany sy ny vahoaka izay mitaky ny tena hizorana any amin’ny tetezamita hiarahana mitondra, mba hirosoana any amin’ny repoblika faha-efatra. Ny krizy ho afaka, ary ny firenena tsy hisy fifanenjehana intsony, ka ho tafapetraka izay olona tena tiam-bahoaka, ary hankatoavin’ny vahoaka malagasy sy ny firenena avy any ivelany. Ramanaintaina

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra