jeu.
19
août
2010
Manomboka mitoetra avokoa ny fanambarana nataon’i Pasitera Mailhol ny alatsinainy lasa teo. Isan’io ny fiantsoana ny mpifidy handatsa- bato ny 17 novambra ho avy izao. Eo ihany koa ny tsy mbola naneken’ny vondrona SADC ilay fanaovan-tsonia hafahafa teny Ivato, fa tokony hisokatra amin’ny hery mpifanandrina amin’ny tena, fa tsy izay mitovy hevitra hifandresy lahatra am-pitoerana. Kopaka fantsy goavana ho an’ny mpanao politika izay malaza ho galifantsy eo amin’ity sehatra ity no nataon’ingahy Pasiteran’ny Apokalipsy ity. Aiza ny vola hampihodinana ny tetezamita izay hajoro eo ? firy no isan’ny mety ho mpikambana handrafitra ny andrimpanjakana hijoro eo ?.......
Mbola fanontaniana napetrany ihany ny lalampanorenana izay hisafidianan’ny vahoaka. Iray ve sa roa sa dimy ? Raha ny tokony ho izy, dia tsy apetraka amin’ny vahoaka intsony ity ENY na TSIA isaky ny manao fitsapan-kevi-bahoaka ity, satria raha mandresy ny TSIA, dia tsy maintsy manao veloma ny toerany ny filoha Andry Rajoelina sy ny ekipany. Manahy ny amin’ny fametrahana datim-pifidianana io sahady ingahy Pasitera, satria tokony ho voadinika aloha ny lalampanorenana vao miroso amin’ny fametrahana daty. Tsy ho voadinika ao anatin’ny efatra andro ihany koa ny lalampanorenana izay tiana hapetraka eto, raha tsy hoe angaha atao tandrametaka. Ny tena mampieritreritra ary tsy nisy mpiresaka teny Ivato, dia ny faharetan’ny tetezamita. Niniana nohadinoina ve io, sa tsy hain’ireto mpanao politika ireto? hoy ihany Pasitera Mailhol ? Ny mpanao sonia teny Ivato sy ny mpikambana tao amin’ny Carlton niarahan’ny ankolafy telo, no tokony hifanatona sy hanao fifanarahana hoy izy, fa tsy tokony ireo antoko efa niara-dalana tao amin’ity tetezamita ity, sy ny mitovy fomba fijery. Raha tsy voahaja ireo, dia krizy hiampy krizy indray no eto. Ireo rehetra ireo no hilazan’ny mpitazana, fa nampianarin’ny Mailhol politika ireo mpanao politika efa galifantsy eto. Ary isan’ny kopaka fantsy maharary ho azy ireo iny nataon’i Mailhol iny. Misy ho tonga saina ve anefa ireto farany, sa ny fizaran-tseza izao no maika ? Vainafo zanany