jeu.
19
août
2010
Maika tsy faingana ohatry ny boka hanambady! Zara aza mba misy mikitika dia pelika éry hanara-dia. Tsy mazava intsony ny zavatra azo atao sy tsy azo atao. Efa nivadika ho lalàna tsy maintsy hampiharina ve ilay zavatra nosoniavina, ‘rey olona a? Samy gaga ihany ny mpiray tanindrazana amin’ilay fanapahan-kevitra raisina maimaika isak’izay mahatsiaro ity. Foanana ny atsy, dia hatsangana indray ny hafa, hanontaniana ny hevitry ny manan-tsaina, dia terena ho tanterahana ihany koa anefa ny bontolo sy ny andrakandrana. Vorivoriana indray ny ankilany, kanefa ahilika tsy azo aseho masoandro ny andaniny. Nantsoina fanintelony indray izao ny Malagasy tsivakivolo, nandritra izao tetezamita avo izao, mba hamonjy ny birao fandatsaham-bato. Voaporofo izany izao fa fitadiavana datim-pifidianana fotsiny no tena anton’ny fanaovan’ny mpanao politika ny dinan’izy ireo teny Ivato. Ka ilay izy kosa anie tonga dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao vita sonia e! Lasa tsy tsaroana tokoa izany ny daty teo aloha satria efa nofoanana indray. Fa inona no hofidiana na koa handatsaham- bato e?........
Tsy ny sarety indray ve izany no eo alohan’ny omby ? Sa efa fantatra moa fa tsy maintsy ho “fitsapan-kevi-bahoaka” no ateraky ny fikaonan-doham-pirenena (raha mbola hatao)? Metimety ratsy ihany aloha ny fahaizana maminavina ny ho avy e! Na ny rijanteny rehetra mahakasika ny lalam-panorenana àry, dia mbola tsy misy tokotaniny. Ilay komity natao ho fakan-kevitra ery Tsimbazaza ery dia efa mazava ny resany fa miandry ny fihaonam-be rehetra etsy sy eroa izy vao hamoaka ny fehin’ny asany. Fa ny tena zavatra tsy fahita firy dia ny fanombatombanana koa fa mety hisy volavolan-dalampanorenana roa na telo samihafa ho azo hisafidianana. Asa aloha raha maranin- tsaina toy ny inona ity teratany Malagasy ity ka hahay hisafidy sy hanavaka ny mahatsara sy maharatsy didy aman-dalàna iray? Tsy misy dinika mazava hatramin’izao momba ny fitoniana ara-politika ka ahafahana manatanteraka izany fitsapan-kevi-bahoaka izany, hiroso mankany mankany fotsiny fa eny an-dalana indray mahita izay hatao e! Mampahatahotra ny ampitso, tsy fantatra ihany koa ny tanjona tiana ho tratrarina fa ny amboletra no baikom-pitoloman’ny mpitondra mihazona ny fahefana. Hazavao amin’ny mpiara-belona aloha ny tena fitsipi-dalao marina mifehy ny tany sy ny fanjakàna. Iza marina no tena tompon’antoka amin’ny tsy fahombiazana eto? Raha sanatriavina tsy tanteraka indray io fifidianana io dia iza no tompon’antoka amin’izany? Ilay filohan’ny FAT sa ireo mpanao politika marobe ? Hifidifidy fahatany indray ny Malagasy raha izao fizotry ny raharaha izao. Tsy maintsy hisy nenina sy zavatra ifandrotehana indray ao aoriana kely. Efa naverimberina teto hatrany fa tsy maintsy mila fahatoniana ny fanatanterahana ny fifidianana satria tsy lisitry ny mpifidy fotsiny no tokony ho vonona, tsy resaka daty sy fotoam-pahavaratra ihany koa, fa manao ahoana ny fanantanterahana rehetra ny “zavaboalazan’ny lalàna”? Mirotoroto amin’ny tsy antony isika mianakavy, ary tsy mahalala izay hahafaty. Tsy aleo ve miadan-ko reniny toy izay hitsatsaingoka ho vantony? Ary rehefa hita fa tsy misy tetika mazava dia aza mijijy baolina fa efa “fanampi-potoana” sisa no hilalaovana. Hirotaka eto ihany ny mpijery rehefa leo. Marina moa! Ony RAMBELO
Dia resy tanteraka tokoa lehiretsy Ravalomanana a!
resy ahoana ary ? aza miditra aty rehefa tsy mazaka ny basy vava.
