mer.

18

août

2010

Politika Gasy: Tsy misy miomana hitondra fanjakana

Tsy zakan’ny mpanao politika hatramin’izao ny miaina ny tena zava-misy marina eto amin’ny taniny. Raha vao misy mpanao politika mba miresaka eto amintsika, dia tsy maintsy maka tahaka hatrany ny any amin’ny firenen- kafa. Ka any Frantsa, Etazonia, Suisse, Alemaina, Afrika Atsimo sns…dia misy ny toy izao sy izao ka mila mianatra ireny isika e! Mba efa nandinika ve isika mianakavy fa Andrianampoinimerina dia tena nanana politika mazava nitondrany ny fanjakany ? T e n a K a p i t a l i sma Demokratika tsotra izao no nampihariny, ary navelany hihary harena amin’izay rehetra nananany sy ny fahafahany ny olon-drehetra......

Navelany naneho hevitra ny ambanilanitra ka niantomboka izany amin’ny fihainoany mivantana ny mpanolontsainy sy ny tandapany.Tsy tamin’ny fotoan’androny ve no nahavitana ny fanajariana ny lemaky Betsimitatatra sy ny fefilohan’Ikopa mbola lovaintsika hatramin’izao? Mba nisy mpanao politika malagasy hatramin’izay ve ka nametraka ny mpitondra taloha, sy ny teo alohany mba ho faka tahaka? Lazaina ho tsy nahavita n’inon’inona izay rehetra zoky teo aloha, kanefa tsy nisy hatramin’izao mpanao politika nanana vahoaka mpanara-dia azy, mba tonga teo amin’ny fitondrana tamin’ny alalan’ny fifidianana mazava. Ny tsy fahatokisantena toy izany no mibaiko ny fanaovana ny politika. Teraka ho azy ilay kolon-tsain’ny miandry kitapo latsaka fotsiny mba ahafahana mamoritra ny mpiray tanindrazana. Izany dia manomboka any amin’ny ambaratonga farany ambany indrindra. Samy manabe voho ny antokony izay manana fahefana, ary lasa tsy mahatoky ny fifidianana satria matahotra ho resy noho ilay tsy fananana fototra ijoroana. Mpanara-drenirano ny fitsokan’ny rivotra eran-tany fotsiny ny politikan’ny gasy: Tsy mahafantatra tsara akory ny tena takian’ny mponina sy ny kolontsaina tena iainana eto fa hala-tahaka sy hevi-diso no betsaka. Aderadera izao ny fankatoavana iraisampirenena, dia mampalahelo fa valiana bontana fotsiny amin’ilay hoe: hambom-po maha-malagasy. Tsy fantatra ny olana tena any amin’ny fotony kanefa dia efa naverimberina hatrany ny fakana ny hevi-bahoaka teto nanomboka tamin’ny ala-olana sy ny fanagasian’ny taona 1972-75, ny forum nasionalin’ny 1992, ny mada-raid-n’ny taona 1993-96, ny Ajustement stricturel sy ny MAPn’ny taona 1997-2008. Amin’izao dia efa tsy latsaky ny in-telo no nolazaina fa nalaina ny hevitra tamin’ny alalan’ny teny ieràna sy ny dinika santatra fa mbola zavatra hafa ihany no eto e! Ka ny vahoaka ve no tokony hiova sa ny mpanao politika sy ny politikany no tokony hiova hevitra amin’izay ? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    Dénise Rabe (mercredi, 18 août 2010 16:31)

    I Andry Rajoelina ihany no azo antoka hitantana sy hampandroso an'i Gasikara e!

  • #2

    zanaky Ra Valo (vendredi, 20 août 2010 06:52)

    Ravalomanana ihany ny Filoha ny Gasikara mahavita azy.fa tsy io mpanao didy jadona io

  • #3

    tt (mercredi, 22 décembre 2010 16:20)

    nen'ny rajoelina ngé vola fotsiny no maatongaz eo e , sad iz to sarbakoly fotsny kou ,ts azo atoka oe mavita az mits e ,jereo kou , ny eto atoerana tsy ita oe ina ny probleme de ny artiste avy avy any ivelany no alaina kou,jereo nym alagasy maantra tsitany akor ,ny crise rehetra ts fatany , tsisy niveau intelectuel mits iz e , mba apenaro iz ry mpombazy azy an ,aza jerena fotsny e

  • #4

    tt (mercredi, 22 décembre 2010 16:28)

    ny adiniko de ny lalapanorenana nataon'ny tarika rajoelina izay nitsakitsaana saady ,so iany fa anareo iany le iz ,ny mpombaz ar mou ts maalala oe ina ny targetra napetrany kou ,mapme e ,sad maametra oe nifidy nef ny ao anatiny az ts fatany akory ,

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra