mer.

18

août

2010

Fifamoivoizana eto an-drenivohitra: Tokony haverina ny lalàna taloha

R aha mandini k a ny f i famoivoi zana eto andrenivohi t ra amin’ i zao fotoana izao dia hita fa betsaka loatra ny fandikandalàna ka ny tena manao azy io dia ny taxibe sy ny taxi. Tsy ho tantaraina intsony ny fifanenjehana eran’ny lalana, fa ny tena manirikiry amin’ny zavatra ataony dia ny fibahanan-dalana, ny fandraisana na fanalana olona eny afovoan-dalana ny fisisihana miditra an-daharana rehefa avy miala ny toerana fiantsonana sy ny fisongonana olona ka ry zareo samy taxibe dia mifanaraka amin’ny fifanomezan- dàlana rehefa misy iray tafiditra. Ny tena ahitana ity fihetsika farany ity dia eny amin’iny lalana manoloana ny « Ecole de Médecine » eny Antsakaviro ka hihazo ny « Tunnel » Ambanidia rehefa maraina amin’ny 8 ora sy sasany iny sy amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro.......

Ny fiadiana laharana rehefa tonga eo amin’ny sampanan-dalana manoloana ny tranon’Itompokolahy Monja Jaona eo dia miteraka fitohanana ka ny olona manara-dalàna indray no very fotoana miandry ny hadalan’ny taxibe misisika. Marihina fa tsy eo amin’ity toerana ity ihany no ahitana fihetsika tahaka ity fa efa ho manerana ny renivohitra mihitsy. Ny farany indray dia momba ireny saretin’omby, kalesy, posy mandehandeha eran’ny lalana ireny izay matetika miteraka fitohanan’ny fiara, ka tsy vitan’ny mitondra entana tsy zakan’ny ainy fa mbola mandeha amin’ny lalana voarara na « sens interdi t ». Rehef a mba miteny ireny olona tsy manara-dalana ireny ianao dia ompa variraraka no valiny ka dia aleo mangina. Raha jerena amin’izany fihetsika izany dia ry zareo indray izany no manao ny lalàna eny rehetra eny ka ny mpamily no tokony handefitra. Nisy lalàna napetraka tany aloha tany momba ny famerana ny ora fandehanan’izy ireny ka tokona mba averina amin’izay fa lasa baranahiny lohatra ny tanàna. Ny tena manahirana koa dia noho izy ireny tsy manana fiantohana ka raha sendra mandona fiaran’olona dia afa-maina fotsiny. Marina fa sarotra ny fiainana fa ilaina koa fifandaminana sy ny fanajana ny hafa.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra