mer.

18

août

2010

Aza matahotra izay tsy tany !

Manantena fivoahana malaky amin’izao krizy lavareny izao ny maro eto amin’ny tanàna. Vita rahateo ny sonia maro dia maro teny Ivato, niarahan’ny mpanao politika ary nofaranan’ny filohan’ny tetezamita mihitsy. Koa inona indray moa no nirina ka tsy ho tontosa amin’izany ? Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireto nanao sonia, nanambatra ny hevitra sy ny hery tsy mitovy ho iray tamin’ny alalan’ny taratasy niarahana ka nametrahana ny mari-pamantarana ny tsirairay, tsy misy fangarony. Koa inona moa izany ny toetra iray hampifamatotra ao ? Betsaka ! Maro tsy ho voatanisa, fa ity iray ity kosa no hosinganina. « Ireo nanao sonia ny fifanarahana politika, tamin’ny zoma lasa teo, dia voaterin’ny zava-nekeny. Noho izany, tsy azony atao ny midina an-dalambe raha toa ka misy toejavatra tsy mifanaraka amin’ny heviny na ny eritrereriny. Tsy azony atao ny manainga ny vahoaka hitokona satria mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka. » Hay moa nisy izany tao! Mahaiza mifaly kosa indray izany ireo antoko sy mpanao politika tsy teny Ivato, tsy niaraka tamin’ny be sy ny maro. Tsy ny antoko politika ihany na ny mpanao politika, fa ao ihany koa ireo hery samihafa toy ny sendikà, vondrona mpiasa, sns. Mifalia satria ianareo sisa izany no azo andrandraina hanaitra ny mpitondra amin’ny fitantanana tsy mendrika na ny fitondrana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy........

Ankoatra izay, ireo rehetra nanao sonia tamin’ny zoma, nohamafisin’ny filohan’ny fitondrana avon’ny tetezamita, dia mahatsikaiky ihany. Tsy zoviana amin’ny rehetra anie izy ireo, tsy iza akory fa ny niaraka tamin’ny hetsika 2009 ihany saingy tsy tafita teny amin’ny fitondrana dia ireo miaradia tinampoka aminy indray, milaza hitady vaha olana. Tsy dia izay loatra akory ny olana. Raha ny marina, tsy olana loatra akory ilay izy. Rehefa misy ny atao hoe « fifanarahana », midika izany fa misy ankolafy (tsy ilay nahazatra nandritra ny herintaon asy tapany loatra akory) roa fara fahakeliny. Ny zava-tokony hiseho eto amin’ny tanàna, na ny fitondrana Fat sy ny ankolafy politika telo no mifanaraka ; na ny ankolafy Madagasikara sy ireto antoko politika naira-niainga no mifanaraka. Saingy tsy izay no niseho. Raha fintinina, tsy fifanarahana no natao, fa fanamafisana orina ny efa teo. Tsy avy amiko mpanoratra, fa fandinihana avy amin’ny pasitera Mailhol ihany.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra