mar.
17
août
2010
ny vehivavy dia misy ireo manana ahiahy ny hampirafesin’ny vadiny vokatry ny tsy fahateren’ny fivaviany, toy ny taloha, tsy mbola niteraka intsony. Toy izao ny resadresaka azo atao mahakasika izany. Tsara mar ihina aloha fa rehefa misokatra indray mandeha ho amin’ny firaisana ara-nofo ny fivaviana dia tsy afaka ny hikombona intsony. Rehefa miteraka indray ny vehivavy iray dia mihamivaha ny hozatra mitazona ny fahateren’ny fivaviany. Ny fandalovan’ilay zazakely no mahatonga izany.......
Ampanaovina fanatanjahantena famerenana amin’ny laoniny izay fahateren’ny fivaviana izay ny reny miteraka any amin’ny firenena mandroso sasany. Tsy mbola misy tahaka izany kosa eto amintsika hatramin’izao, raha tsy hoe manatona ireny mpampanao fampiasam-batana manokana ireny. Fomba iray mahazatra, famerenana ny hamafin’ny hozatra ny “pipi-stop”. Izany hoe rehefa mivalan-drano iny no fehezina ny hozatra, hihahenjankenjana kokoa toy ny taloha. Somary atsahatra kely roa na telo segaondra eo raha kely indrindra ny fivalanandrano, tsy alefa, hitazonana ilay hozatry ny fivaviana ho henjana. Averimberina matetika izany ary tokony ho hay ny mibaiko ny hozatra rehefa amin’ny farany. Tsara ho fantatra kosa aloha fa arakaraka ny mahahenjana ny hozat ra ao amin’ny fivaviana no mahateritery azy, hahazoana fahafinaretana amin’ny firaisana ara-nofo ary hahatongavana amin’ny “orgasme”. Miankina amin’ny fitiavana ihany koa anefa ny zavatra rehetra, ka fomba ikolokoloana azy fotsiny izany. Rehefa mitoetra ny fitiavana sy ny fifampiresahana, milamina hatrany ny fiainan-tokantrano, na malalaka na tery ny fivaviana.