mar.
17
août
2010
ny fifandirana eto amintsika ity filazàna fa famahana ny miolana ity. Mitombo an-dalana toy ny dian’Andriana ny andraikitra takiana tsy maintsy tanterahan’ny tsirairay. Tsy sanatria hanao toriteny tsy akory, fa toa efa voasoritra ho amin’izay voalazan’ny Apostoly Matio angamba izy ity : « Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy ». Iniana tsy tohizana io andinin-teny io fa dia samy hisaina ny rehetra. Sanatriavina ho tena hihatra mivantana amin’ny vahoaka malagasy ve izany ? Toa lalaovina sy hisandohana daholo ity na fizokiana, na fahefana, na fiandrianana, na fanapahana sy fitsarana, na fitantanan’ny ray aman-dreny niteraka… Hifampisandosandoka eto isika mianakavy dia hifampila vaniny sy hiseho mahavita daholo ?.......
Arakaraka ny handosirana ny fifanatrehana no mampitombo ny elanelana amin’ireo tena fototry ny olana. Ny mpitondra manana ny fahefana ankehitriny dia mihevitra fa ny fampijoroana ny « angady mondro tsy mahatapak’ahitra » no ahazoany ny tso-dranon’ny besinimaro. Tsy fantatra intsony ny dikan-teny rehetra amin’ny fifanarahana natao sonia : nosoritana mafy fa any amin’ny fikaonan-doham-pirenena vao hisy fanapahankevitra azo tanterahana mahakasika ny famotsoran-keloka sy ny resaka tsimatimanota, ary nampitandremana mivantana mihitsy ny mpanatrika mba tsy hanao dika vilana. Tsy efa maro ve ny fitaka sy lainga marivo tototra natao hatrizay ka mbola hampatoriana mitsangana ihany ny valala tsy mandady harona ? Tsy ahitana valiny mihitsy ny antony ho tsy maintsy nanoritana tao anatin’ny fifanarahana fa tsy misy azo haongana sy tsy mahazo mifanongana ny andrim-panjakana mandritra ny tetezamita. Tsy azo atao intsony koa ny fihetsiketsehana mandrangitra sy mahatonga korontana. Dia inona izany no azo atao ? Maninona raha mba izay azo atao indray no soratana sy hanaovana dina eto e ! Milaza ho raiamandreny tsy mitsabaka ny FAT kanefa miady taim-piraka ao anaty vilanin’ny mpirangorango fahefana sy seza…Dia hahita raharaha indray isika fa tsy maintsy hifanjevo i Jakoba sy Esao hitady ny tena fizokiana, ary hanohy ny fangalaram- pahefana nataony i Absaloma eo anatrehan’i Davida rainy, hifanindrona antsy sy hifamono ny mpirahalahy mifanapa- tsinay handimby ny tantaran’i Kaina sy Abela. Raha misy ny fitiavana ny taranaka mba tsy hiaina izany fifanjevoana izany dia aoka samy ho tonga saina ny tsirairay. Avereno amin’ny tompony izay rehetra norobaina dia manaova asa fivalozana lehibe. Aza miantso ny anaran’Andriamanitra akory raha mbola tsy nifamela tamin’ny rahalahinao sy mbola hampitondra alahelo ny ray sy reninao. Tsy ravina nantentina no mampiova fo sy fisaina. Haingony fotsiny no kanto sy meva fa ny ao anatiny foana toa lohan-drameva. Raha tiana no hanova sy hitondra ny tena hetahetambahoaka marina dia aza mihambo ho mahalala ny tena tian’ny vahoaka. Aoka hihataka lavitra amin’ireo mangetaheta fahefana ireo. Aza avela ho tezitra sy handrongatra indray ny olana aratsosialy manjo ny mponina amin’ny ankapobeny, vao hanaovana vonjy rano vaky. Fa mbola tsy kenda ihany ve tamin’ireo nasesiky ny tanana e ? sa andrasana hiteny hatramin’ny vato fitaingin’ny vorona ? Ony RAMBELO
Ireo français ireo no tena fototry ny olana eto,ary eo koa ny aretina mikiky fankahalana vokatry ny valifaty ifandimbiasan'ireo mpitondra antsika ka io no tokony hojerena ankaiky ary tsy ho vita
vetivety fa tokony hisy minisitera na vondrona tena tsy mitanila hamaha an'io.Ianao ve izao ry Nathalie de mihevitra fa havelanRabarisaona moramora ireny orinasany noravaina ireny sy koa ny
nahafatesan'olona maro tao anatiny tao ,ary koa ny toeran'ireo tandroka aron'ny vozona tsy niaro izany fananany izany? Mihevitra ve ianao fa ry Rabevahoaka eny ambanivohitra amin'izao fotoana izao
dia ho toy ny fisainany tamin'ny andron ny PADESM ihany ny fisainany amin'izao fotoana izao?Ary isaorana ilay nahary mbola tsy manohitra ny fitondrana ry zareo mpanao savony etsy avara-tanana fa raha
tsy izany efa maro ireo frantsay novonoiny teto,ary farany ry Nathalie: tsy misy mahasahy mamadika ireo mpiombon'antoka tamin'iny famonoana andRabezavana iny satria hipoitra ny lainga rehetra ka ho
menatra eo ry zareo a,sady reo io toa tsy mahay hevitra tsara, raha izaho izy ireo hamafisiko io fampihavanana io satria ny olona anie izao ry Nathalie tsy tia haheno ny lainga afafin'ireo ao
amin'haino amanjerindrafanja ao intsony e
Misaotra NATHALIE fa ianao izao no mba nanehoako izany hevitro izany ka aza atao hoe basyvava aho raha mihaona amin'ikala Zanina ianao an
iza moa i nathalie ra-just?
